Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-10

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa tambanin'ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;

2 ary natao batemy tamin'i Moizy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra; 3 hanina ara-panahy iray ihany no nohanin'izy rehetra; 4 ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin'izy rehetra, satria nisotro tamin'ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Tsy sitrak'Andriamanitra anefa ny ankabiazan'izy ireny, fa lambam-bary tany an'efitra. 6 Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan'ireny,

7 mba tsy ho tonga mpanompo sampy hianareo, toy ny sasany tamin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao; 8 mba tsy hijangajanga isika, tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo sy roa alina izy no maty indray andro monja. 9 Eny, aoka isika tsy haka fanahy ny Kristy, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy azy, ka matin'ny bibilava izy ireny; 10 ary aoka hianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin'ireny, ka matin'ny anjely mpandringana izy ireny. 11 Nozoin'izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr'izao andro farany izao. 12 Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara hitandrina sao lavo.

13 Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pankam-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy. 14 Noho izany, ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy.

15 Miteny aminareo toy ny amin'ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko. 16 Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'ny Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'ny Kristy va? 17 Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. 18 Jereo ange Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin'ny otely va, ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona? 19 Inona àry no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin'ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? 20 Tsia, fa ny zavatra aterin'ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin'ny demony, fa tsy amin'Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony hianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin'ny kalisin'ny Tompo no hisotro amin'ny kalisin'ny demony koa; 21 tsy azonareo atao ny sady hihinana amin'ny latabatry ny Tompo no hihinana amin'ny latabatry ny demony koa. 22 Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho izy va isika? 23 Tsy misy fady ny zavatra rehetra nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa fanahin'olona avokoa izy rehetra.

24 Aza misy mitady ny ho an'ny tenany, fa ny ho an'ny namana. 25 Hano avokoa izay amidy any an-tsena, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana, 26 satria an'Andriamanitra daholo ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy. 27 Raha misy tsy mpino manasa anareo, ka te-handeha hianareo, dia hano izay arosony anareo; ary aza manontany akory noho ny fieritreretana. 28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Natao fanatitra tamin'ny sampy io, no aza mihinana, noho ilay nilaza sy noho ny konsiansy. 29 Ny konsiansy antsoiko amin'izany, dia tsy ny anao, fa ny an'ny hafa; satria ahoana no ifehezan'ny konsiansin'olon-kafa ny fahafahako? 30 Raha misaotra koa aho no mihinana, ahoana no anomezan-tsiny ahy amin'ny zavatra anaovako fisaorana? 31 Koa na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.

32 Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny jentily, na ny Eglizin'Andriamanitra, 33 fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an'ny tenako, fa ny ho an'ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1828