Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-10
31 Koa na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.32 Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny jentily, na ny Eglizin'Andriamanitra, 33 fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an'ny tenako, fa ny ho an'ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra.