Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 10, 31-33.11
<11Nozoin'izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr'izao andro farany izao.
       31Koa na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. 32Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny jentily, na ny Eglizin'Andriamanitra, 33fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an'ny tenako, fa ny ho an'ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra. >