Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
1 Korintiana toko 12
Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samihafa - Tena iray isika, ka tsy maintsy mifanampy.
1Ary ny amin'ny fanomezam-pahasoavana, ry rahalahy, dia tsy tiako ny tsy hahalalanareo izany. 2Fantatrareo fa fony mbola jentily hianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana, araka izay nitondrana anareo tany. 3Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka hanao hoe: Anatema Jesoa; ary tsy misy afa-milaza hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.
4Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; 5maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; 6ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.
8Fa ny anankiray omen'ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany; 9 ny anankiray finoana, araka io Fanahy io ihany; ny anankiray fahazoa-manasitrana, mbola avy amin'io Fanahy io ihany koa; 10ny anankiray, ny manao fahagagana; ny anankiray, ny maminany; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa; ny anankiray miteny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny. 11Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin'ny isan'olona, araka ny sitra-pony.
12Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa ny Kristy. 13Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na jentily, na andevo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
14Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro. 15Raha ny tongotra hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy tànana, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 16Ary raha ny sofina hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy maso, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 17Raha maso avokoa ny vatana, inona indray no ho fandrenesana? Ary raha fandrenesana avokoa, inona indray no ho fanamboloana? 18Rantsam-batana maro anefa no efa nalahatr'Andriamanitra eo amin'ny vatana, araka izay itiavany azy avy. 19Ka raha rantsam-batana iray ihany izy rehetra, aiza izay vatana? 20Koa maro àry ny rantsam-batana, fa iray ihany ny vatana. 21Ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ny loha tsy mahazo milaza amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. 22Fa ny rantsam-batana izay miseho ho malemilemy kokoa aza no vao mainka ilaintsika kokoa; 23ary ny rantsam-batana izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa aza no omentsika voninahitra bebe kokoa. Koa ny tsy misy hajany ao amintsika no hajaintsika kokoa; 24fa izay mendrika rahateo tsy mila izany. Satria tamin'ny nanaovan'Andriamanitra ny vatana, dia izay kely voninahitra kokoa no nalahany homena voninahitra bebe kokoa, 25mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra. 26Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.
27Hianareo no vatan'ny Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy. 28Ao amin'ny Eglizy dia izao no nandaharan'Andriamanitra ny sasany: voalohany Apostoly, faharoa mpaminany; fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny. 29Moa Apostoly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? 30Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra?
31Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao làlana tsara indrindra hatoroko anareo izao. >