Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
1 Korintiana toko 14
Ny amin'ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra - Ilaina kokoa ny faminaniana sy fandikan-teny - Fitsipika harahina raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, na maminany - Ny amin'ny vehivavy ao am-piangonana.
1Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana. 2Fa izay miteny amin'ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin'ny olona fa miteny amin'Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina. 3Ary izay maminany kosa, dia miteny amin'ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy. 4Izay miteny amin'ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy. 5Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin'ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin'ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan'ny Eglizy soa.
6Hevero ange, ry rahalahy: raha mankany aminareo aho, ka fiteny tsy fantatro no itenenako, fa tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana no itenenako aminareo, inona no soa ho vitako aminareo? 7Raha tsy feo miavakavaka mazava no avoaky ny zavatra tsy manana aina, toy ny sodina na lokanga, ahoana no hahafantatrana izay hira atao, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga? 8Ary raha feo hafahafa no avoaky ny trompetra, zovy no hioman-kiady? 9Mba toy izany koa hianareo: raha tsy teny mazava no avoaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahalalana izay lazainareo? Dia hiteny amin'ny rivotra hianareo. 10Na maro samihafa aza ny fitenin'ny olona amin'izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza. 11Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amiko ilay miteny; ary ho mpiberoberoka foana amin'ilay miteny aho. 12Koa aoka hianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra.
13Noho izany, aoka izay miteny amin'ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. 14Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra. 15Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin'ny fanahy aho no hivavaka amin'ny saina koa; sady hihira amin'ny fanahy aho no hihira amin'ny saina koa. 16Fa raha mivavaka amin'ny fanahy fotsiny hianao, hataon'ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly amena ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao? 17Hianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa. 18Misaotra an'Andriamanitra aho, fa miteny amin'ny teny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho; 19nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin'ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin'ny teny tsy fantatra. 20Ry rahalahy, aoka tsy ho zaza amin'ny fisainana hianareo, fa aoka ho zaza amin'ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin'ny fisainana e.
21Voasoratra ao amin'ny Lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny, sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; ary na dia amin'izany aza, dia mbola tsy hihaino ahy ihany izy, hoy ny Tompo. 22Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino. 23Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina hianareo? 24Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy, sady hotsarain'izy rehetra; 25voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an'Andriamanitra izy, ary hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra!
26Hatao ahoana àry, ry rahalahy? Raha miangona hianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambarana, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikan-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra. 27Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny. 28Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin'ny Eglizy, ka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra. 29Ary ny amin'ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra. 30Raha misy mahazo fanambarana anefa amin'izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany; 31satria mahazo mifandimby maminany hianareo rehetra, mba hahazoan'ny rehetra fianarana sy famporisihana. 32Ary ny fanahy mampaminany dia zakain'izy mpaminany, 33satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
34Araka ny fanao amin'ny Eglizin'ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrifin'azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan'ny Lalàna koa izany. 35Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana. 36Moa hianareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa dia ao aminareo ihany no tongany? 37Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo izay soratako ho anareo, 38ka raha tsy te-hahalala izy, dia aoka tsy hahalala. 39Koa amin'izany àry, ry rahalahy, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra; 40fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra. >