Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 15, 54-57

       <54Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin'izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. 55Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? 56Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin'ny fahotana. 57Isaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! >