Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 16
Ny amin'ny famoriam-bola - Mikasa ho any Korinto i Paoly - Teny farany sy fanaovam-beloma.

       1Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo, toy ny nasaiko nataon'ny Eglizy rehetra any Galatia. 2Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro, dia samia hianareo manokan-javatra any an-tranony, sy mandatsa-drakitra araka izay azony atao avy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola rahefa tonga aho. 3Ka rahefa tonga aho, dia hanendry olona hianareo hampitondraiko taratasy hanatitra ny fiantranareo any Jerosalema. 4Ary raha mendrika ny fankanesako any aza izany, dia hiaraka amiko izy ireo.
       5Ho any aminareo aho rahefa namaky an'i Masedonia, fa hamaky an'i Masedonia aho. 6Ary angamba hitoetoetra any aminareo aho, na handany ny ririnina any aza, dia hianareo no hanatitra ahy any amin'izay halehako rehetra any. 7Tsy dia ny hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny no kasaiko amin'ity, fa ny hitoetra elaela no antenaiko, raha sitra-pon'ny Tompo. 8Hijanona ao Efezy anefa aho, hatramin'ny Pentekoty, 9satria varavarana lehibe no mivoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
       10Rahefa tonga atý aminareo Timote, ataovy izay tsy hananany tahotra eo aminareo, fa manao ny asan'ny Tompo toa ahy izy. 11Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Atero izy ho tonga soa aman-tsara atý amiko, fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. 12Ary ny amin'i Apolo rahalahintsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin'ny rahalahy sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rahefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy. 13Miambena, mahareta amin'ny finoana, misehoa ho lehilahy, ary mahereza fo. 14Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.
       15Izao koa no hafatra ataoko aminareo, ry rahalahy: fantatrareo fa ry Stefanasy, dia voaloham-bokatra tany Akaia, sady nanokan-tena hanampy ny olona masina, 16ka aoka hianareo hanaiky amim-panajana ny olona mendrika toy ireny, sy izay rehetra miara-miasa sy misasatra amin'ny asa toy izany. 17Faly aho noho ny nahatongavan'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaïko, fa ireo no nanao izay tsy efanareo. 18Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny.
       19Manao veloma anareo ny Eglizy rehetra atý Asia; manao veloma anareo indrindra ao amin'ny Tompo Akilasy sy Prisila mbamin'ny Eglizy izay ao an-tranony. 20Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
       21Izaho Paoly, manao veloma anareo, amin'ny sora-tànako.
       22Raha misy tsy an'i Jesoa-Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha (Tamy ny Tompontsika). 23Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo. 24Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. Amena. >