Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-2

1 Fony aho tonga tany aminareo koa, ry rahalahy, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo.

2 Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy Jesoa-Kristy aho tany aminareo, indrindra fa izy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. 3 Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; 4 sady tsy mba tamin'ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra azy ho marina, 5 mba tsy hiorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'olombelona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. 6 Mitory fahendrena amin'izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren'izao tontolo izao izany, na an'ny mpanapak'izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;

7 fa fahendren'Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin'Andriamanitra talohan'izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika; 8 ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak'izao tontolo izao (satria raha nahalala izy, dia tsy ho namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazo fijaliana); 9 fa izany dia anisan'ireo zavatra voasoratra hoe: Zavatra mbola tsy hitan'ny maso na mbola ren'ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon'ny olona velively no namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia azy. 10 Tamintsika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza. 11 Iza àry no hahalala izay ao am-pon'ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Ary isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny fahasoavany.

13 Tsy mba amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no ilazanay an'izany, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin'ny teny ara-panahy koa. 14 Tsy azon'ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin'ny Fanahy no hany amantarana izany. 15 Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon'olona tsaraina. 16 Satria zovy àry no nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitry ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838