Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-4

1 Aoka hataon'ny olona ho mpandraharanan'ny Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin'Andriamanitra.

2 Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra. 3 Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain'ny andron'ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena. 4 Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5 Noho izany, aza mitsara alohan'ny fotoana, dia mandra-pahatongan'ny Tompo; fa izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin'izay vao samy hahazo izay dera tandrifin'azy tsirairay avy. 6 Ary noho ny aminareo, ry rahalahy, dia nahodiko mankamin'ny tenako sy Apolo izany zavatra izany, hianaranareo ao amin'ny tenanay tsy hanao mihoatra noho izay voasoratra, mba tsy hoentim-piavonavonana hianareo hanandratra ity, nefa hanetry an'irý kosa.

7 Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray hianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny? 8 Efa voky sahady mantsy hianareo izany e! Efa manan-karena sahady à! Efa manjaka lavitra anay! Enga anie ka ho izany tokoa hianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo. 9 Fa izahay Apostoly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan'izao tontolo izao, na anjely, na olombelona. 10 Izahay moa, adala noho ny amin'ny Kristy, hianareo kosa hendry ao amin'ny Kristy! Izahay osa, fa hianareo no matanjaka; izahay faneso, hianareo kosa fanaja. 11 Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, 12 ary misasatra miasa amin'ny tànanay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; 13 mova tsy izahay iny no fakon'izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. 14 Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an'izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.

15 Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin'ny Kristy, dia tsy maro ray hianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin'ny Evanjely ao amin'ny Kristy. 16 Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy hianareo, toy ny nianarako ny Kristy koa. 17 Fa izany ihany no nanirahako ho etý aminareo an'i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay làla-nodiaviko ao amin'ny Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin'ny Eglizy rehetra. 18 Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho; 19 ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany, 20 satria ny fanjakan'Andriamanitra tsy teny foana fa asa atao. 21 Inona àry no tianareo? Tsorakazo ve no hoentiko mankany aminareo, sa fitiavana sy halemem-panahy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.083