Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-5

1 Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin'ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!

2 Izany ve ka hianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin'izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa. 3 Izaho, na dia tsy teo aminareo amam-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an'ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany. 4 Koa amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban'ny herin'i Jesoa Tompontsika: 5 dia aoka izany olona izany hatolotra an'i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarina manontolo? 7 Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao hianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo hianareo, satria efa voavono ny Kristy, izay Paka ho antsika. 8 Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin'ny lalivay ela, na amin'ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany. 9 Nanoratra taratasy taminareo aho, nilaza fa tsy tokony hifanerasera amin'ny mpijangajanga hianareo.

10 Tsy dia ny mpijangajangan'izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin'izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao hianareo. 11 Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin'izay mitondra ny anarana hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin'ny olona toy izany aza. 12 Moa raharahako va ny mitsara izay any ivelany? Ary moa tsy izay ao anaty va no mety hotsarainareo? 13 An'Andriamanitra ny mitsara ny any ivelany. Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795