Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 7
Tsara sy mety ny fanambadiana - Tsy azo ravana ny fanambadiana - Samia mitana ny toetrany - Ny maha-ambony ny faha-virjiniana.

       1Ny amin'ireo zavatra nosoratanareo tamiko, dia tsara raha tsy mikasi-behivavy ny lehilahy. 2Mba hanalavirana ny fijangajangana anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny. 3Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin'ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. 4Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. 5Aza misara-pandriana hianareo, afa-tsy amin'ny andro sasany ifanekenareo holanina amin'ny fivavahana; rahefa izany, dia miraisa indray fandrao alain'i Satana fanahy hianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena; 6tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka. 7Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen'Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany.
       8Izao no lazaiko amin'ny tsy manam-bady sy ny vehivavy maty vady: Tsara aminy ny mitoetra toa ahy; 9nefa raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka hanam-bady, satria aleo manam-bady toy izay maimay.
       10Izao kosa no andidiako an'izay manam-bady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy; 11ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin'ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.
       12Ary izao no ambarako amin'ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; 13ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; 14satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin'ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin'ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao. 15Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin'izany tsy voafehy intsony ny rahalahy na ny anabavy, satria ho amin'ny fiadanana no niantsoan'Andriamanitra antsika. 16Fa inona no ahafantaranao, ravehivavy, fa hahavonjy ny vadinao hianao? Na inona no ahafantaranao, ralehilahy, fa hahavonjy ny vadinao hianao?
       17Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen'ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra. 18Voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hiova ho tsy voafora. Tsy voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hoforana. 19Ny famorana, tsinontsinona; ny tsy famorana koa, tsinontsinona; fa ny fitandremana ny didin'Andriamanitra ihany no tena zavatra. 20Koa samia àry mipetraka amin'izay toetra niantsoan'Andriamanitra azy avy. 21Mpanompo va hianao nantsoina? Aoka tsy hampaninona anao izany; fa na mahazo miavo-tena aza hianao, aleo ihany manararaotra ny toetra niantsoana anao. 22Satria ny mpanompo voaantso ao amin'ny Tompo dia olom-potsin'ny Tompo; ny olom-potsy voaantso indray mpanompon'ny Kristy ihany koa. 23Efa voavidy sarotra hianareo, ka aza mety ho andevon'olona. 24Samia àry, ry rahalahy, mipetraka eo anatrehan'Andriamanitra amin'izay toetra niantsoana azy avy.
       25Ny amin'ny virjiny, dia tsy mahazo didy avy amin'ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin'ny Tompo mba ho azo itokiana. 26Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin'ny olona ny mitoetra toy izao ihany. 27Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va hianao? Aza mitady vady. 28Tsy manota anefa hianao na dia hanam-bady aza; tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin'ny nofo kosa izy ireny, ka iriko tsy voan'izany hianareo.
       29Izao no hevitro, ry rahalahy: fohy ny andro, ka amin'izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana; 30ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; 31ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao 32ka tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; 33fa ny lehilahy izay manam-bady kosa miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. 34Toy izany koa ny vehivavy; izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. 35Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin'ny Tompo tsy aman-tsampona.
       36Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanam-bady. 37Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. 38Koa tsara ny ataon'izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon'izay tsy mampanam-bady azy.
       39Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manam-bady izay tiany izy rahefa maty ny lahy, nefa ao amin'ny Tompo ihany. 40Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin'izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin'Andriamanitra. >