Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
1 Korintiana toko 8
Ny amin'ny hena naterina tamin'ny sampy - Tsy tokony hanafintohina ny malemy.
1Ny amin'ny hena naterina tamin'ny sampy, dia fantatsika ihany, fa samy manam-pahalalana isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso. 2Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy. 3Fa raha misy tia an'Andriamanitra kosa dia fantany io. 4Koa ny amin'ny mihinan-kena naterina tamin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja. 5Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy tompo maro), 6iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho azy isika; iray ihany no Tompo, dia Jesoa-Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
7Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin'ny sampy, dia voaloto ny konsiansiny, satria mbola malemy. 8Raha izay hanina fotsiny aloha, dia tsy mampaninona antsika amin'Andriamanitra akory, fa mihinana isika, tsy mahazo tombony; tsy mihinana koa, tsy maty antoka. 9Tandremo anefa sao manafintohina ny malemy izany fahafahanareo izany. 10Satria, raha hianao efa mahalala izao, no hitan'ny olona mipetraka eo amin'ny tempolin-tsampy, moa ny konsiansin'izay mbola malemy va tsy hampihinanana azy ny hena naterina tamin'ny sampy? 11Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny rahalahy nahafoizan'ny Kristy ny ainy. 12Ary raha manota amin'ny rahalahinao toy izany hianao, sy manimba ny konsiansiny mbola malemy, dia manota amin'ny Kristy. 13Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny rahalahiko. >