Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-9

1 Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy nahita an'i Jesoa Tompontsika va aho? Moa hianareo tsy asako ao amin'ny Tompo?

2 Na tsy Apostoly aza aho ho an'ny sasany, dia Apostoly ho anareo tokoa, satria hianareo no tombo-kase maha-Apostoly ahy ao amin'ny Tompo. 3 Izany no avaliko izay manadina ahy. 4 Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay? 5 Moa tsy mahazo mitondra anabavy miaraka aminay va izahay, tahaka ny ataon'ireo Apostoly sasany, sy ny rahalahin'ny Tompo, ary Sefasy? 6 Sa, izaho irery sy Barnabe ihany no tsy afa-mitsahatra amin'ny asa? 7 Zovy no mpiantafika miantoka ny fivelomany? Zovy no mpiandry omby aman'osy tsy mivelona amin'ny rononony?

8 Moa araka ny hevitr'olombelona fotosiny ve no ilazako izany, sa mba lazain'ny Lalàna ihany koa izany? 9 Fa izao no voasoratra amin'ny Lalàn'i Moizy: Aza mamatotra ny vavan'ny omby mively vary. Ny omby ve no ahoan'Andriamanitra, 10 sa noho izahay indrindra no nilazany an'izany? Eny, noho izahay tokoa no nanoratana izany; satria izay miasa tany, tsy maintsy miasa amim-panantenana; ary izay mively vary, tsy maintsy mively amim-panantenana ny anjarany koa. 11 Ka raha namafy ny zava-panahy taminareo izahay, dia zava-dehibe ve raha mba mijinja ny anananareo araka ny nofo kosa? 12 Ary raha ny hafa aza afaka miombona amin'ny anananareo, tsy mainka va fa izahay? Tsy nampiasa izany fahefana izany anefa izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra mba tsy hanampontsampona ny Evanjelin'ny Kristy. 13 Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin'ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo ao amin'ny otely, dia miombona amin'ny otely? 14 Toy izany koa no nandidian'ny Tompo fa izay mitory ny Evanjely, dia hahazo fivelomana amin'ny Evanjely. 15 Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitro amin'izany no hofoanan'olona.

16 Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho. 17 Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. 18 Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin'ny Evanjely. 19 Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon'iza n'iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa.

20 Tamin'ny Jody aho dia Jody, mba hahazoako ny Jody; 21 tamin'izay ambanin'ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin'ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin'ny Lalàna (na dia tsy ambanin'ny Lalàna aza), mba hahazoako izay ambanin'ny Lalàna; tamin'izay tsy manan-dalàna aho, dia toy ny tsy manan-dalàna (na dia tsy olona tsy manan-dalàna amin'Andriamanitra aza aho, fa ambanin'ny lalàn'ny Kristy), mba hahazoako ny tsy manan-dalàna; 22 tamin'ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin'ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. 23 Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy. 24 Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin'ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.

25 Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra; nefa satro-boninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. 26 Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; 27 fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.046