Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 14
Fiadanana any amin'Isrealy - Nony voasambotry ny Parta Demetriosa, Simona kosa nitondra amim-pahendrena sy nandray taratasy avy any Sparta sy avy any Roma - Nankasitrahan'ny vahoaka izy, ka naraikiny ho mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva.

       1Tamin'ny taona faharoa amby fitopolo amby zato, novorin'i Demetriosa mpanjaka ny miaramilany, dia nankany Media izy, haka miaramila mpanampy, hoentiny miady amin'i Trifona. 2Nony ren'i Arsasa, mpanjakan'i Persa sy Media, fa niditra ny faritaniny Demetriosa, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin'ireo jeneraliny. 3Dia roso io, ka ny tafik'i Demetriosa noreseny, ary ny tenany nosamboriny, ka nentiny ho any amin'i Arsasa, sy nataon'io an-tranomaizina.
       4Nandry fahizay ny tanin'i Jodà, nandritra ny andro rehetra nitondran'i Simona. Nikely aina hampandroso ny vahoakany izy, ka nankasitrahan'ny vahoaka ny fahefana amam-boninahiny, tamin'izany androny rehetra izany. 5Tsy holazaina ny zavatra sasany nahazoany voninahitra fa izao ihany: nahazo an'i Jope izy hataony fitodian-tsambo, hifankahazoany amin'ireo nosin-dranomasina. 6Nampitatra ny sisin-tanim-piereneny izy, ka nahazo nizaka ny tany. 7Nahazo sambo-belona maro izy, nahafaka an'i Gazara, Betsora, ary ny trano mimanda, ka nesoriny avokoa ny loto tamin'ireo, ary tsy nisy olona nahatohitra azy. 8Ny olona samy niasa ny taniny amim-piadanana, ny tany namotsaka ny vokany, ny hazo eny an-tsaha kosa, ny voany, 9ny anti-dahy nipetraka teo an-kianja, samy niresaka ny fandrosoan'ny tany avokoa, ny tovolahy nanao ny akanjo fitondra amin'ny ady ho haingo, 10Simona nizara hanina fitahiry any amin'ny tanàna, sy namonoana izay ilaina rehetra ho fiarovana, hany ka nalaza hatrany am-paravazan-tany ny anarany be voninahitra. 11Naveriny amin'ny tanindrazany indray ny fiadanana, ka nifaly tamin-karavoana lehibe Israely. 12Samy nipetrapetraka teny ambany voalobony aman'aviaviny avy ny olona, fa tsy nisy olona nampitahotra azy intsony. 13Tsy nanam-pahavalo hamely azy ao amin'ny tany izy, ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalony, tamin'izany andro izany. 14Tohan'ny mahantra rehetra teo amin'ny fireneny izy, niseho ho mazoto ho an'ny lalàna izy, ary namongatra ny mpankahala ny fivavahana sy ny ratsy fanahy rehetra koa. 15Nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary nampitomboiny ny fanaka masina.
       16Nony re tany Roma sy hatrany Sparta fa hoe, maty Jonatasa, dia nalahelo mafy ry zareo tany. 17Ary nony fantany fa hoe Simona rahalahiny no mpisorona lehibe nandimby azy, sy nizaka ny tany rehetra mbamin'ny tanàna rehetra ao aminy, 18dia nanaoratra ho any aminy, tamin'ny takela-barahina izy ireo, hanavao ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Jodasa sy tamin'i Jonatasa rahalahiny. 19Novakiana teo anatrehan'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema ny taratasy, ary izao no kopian'ny nampitondrain'ny Sparsiata:
       20Ny lehiben'ny Sparsiata sy ny tanàna manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe, ny loholona, ny mpisorona, ary ny vahoaka sisa Jody rahalahin'ireo: Arahaba! 21Voaresak'ireo ambasadaoro nalefa ho aty amin'ny firenenany, ny haja amam-boninahitra anananareo, sady nahafaly anay ny nahatongavan'izy ireo. 22Ary nosoratanay ho isan'ny teny ieram-bahoaka ny voalazan'izy ireo, dia izao: Nomeniosa zanak'i Antiokosa, sy Antipatera zanak'i Jasona ambasadaoron'ny Jody, dia tonga taty aminay hanavao ny fihavanany aminay. 23Ka sitraky ny vahoaka ny nandray an'ireo lehilahy ireo tamim-boninahitra, sy nametraka ny kopian'ny lahateniny ao amin'ny fitehirizam-bokim-panjakana, mba hahatehirizan'ny vahoaka Sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary nasainay nosoratana ho any amin'i Simona mpisorona lehibe izao kopiany izao.
       24Taty aorian'izany, nalefan'i Simona ho any Roma Nomeniosa nitondra ampinga volamena lehibe, lanjan'arivo mina, mba hahazo antoka ny fanekena amin'izy ireo.
       25Nony nandre ireo zavatra ireo ny vahoaka, dia nanao hoe: Inona no mariky ny fankasitrahana hatolotsika an'i Simona sy ireo zanany? 26Fa samy naneho herim-po tsy mety ketraka, na izy, na ireo rahalahiny, na ny fianakavian-drainy, niady sy nanosika ny fahavalon'Israely izy ireo, ary nanao izay hahazoany fahafahana. Dia nosokirin'izy ireo tamin'ny takela-barahina izany zavatra izany, ka nahantony tamin'ny andry anankiray tao an-tendrombohitra Siona izany; 27ary izao no kopiany:
Tamin'ny andro fahavalo ambin'ny folon'ny volana Elola, taona faharoa amby fitopolo amby zato, fahatelon'ny taona naha-mpisorona lehibe an'i Simona, tao Saramela, 28tamin'ny fivorian-dehibe, nivorian'ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, ny lehiben'ny firenena ary ny loholon'ny tany, dia navoaka ampahibemaso izao:
Tamin'ireo ady maro natao teto amin'ny tanintsika, 29Simona zanak'i Matatiasa amin'ny taranak'i Jariba, mbamin'ireo rahalahiny, dia nanao vy very ny ainy, sy nanohitra ireo fahavalon'ny firenena, mba hijoroan'ny fitoerana masina mbamin'ny lalàna, ary nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny izy ireo. 30Jonatasa namory ny fireneny sy tonga mpisorona lehibe tao amin'izy ireo, vao nangonina ho any amin'ny vahoakany. 31Dia nitady hanitsaka sy hanafoana ny taniny ireo fahavalony, sady haninji-tànana amin'ny fitoerana masina. 32Fa nitsangana tamin'izay kosa Simona niady hiaro ny fireneny; vola aman-karenan'ny tenany betsaka no nolaniny namononana fiadiana ho an'ny lehilahy mahery teo amin'ny fireneny sady nomeny karama izy ireo. 33Nohamafisiny ny tanànan'i Jodea mbamin'i Betsora miorina eo amin'ny sisin-tany izay nisy ny fiadian'ny fahavalo taloha, dia nametrahany miaramila Jody. 34Nohamafisiny Jope, miorina eo amoron-dranomasina, sy Gazara eo amin'ny sisin-tanin'i Azota, nonenan'ny fahavalo teo aloha: dia Jody no namponeniny tao, sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hiarenany indray. 35Nony hitan'ny vahoaka ny nataon'i Simona sy ny voninahitra kendreny ho azon'ny fireneny, dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorona lehibe izy, noho ny zavatra rehetra namonjeny ny fireneny, noho izy nanao ny marina sy niraiki-po tamin'ny fireneny, ary noho izy nanao izay tratra amin'izay rehetra azo natao hanandratra ny fireneny. 36Raha mbola velona koa izy, vanona avokoa ny zavatra teo an-tanany, vitany hatramin'ny nandroaka ny firenen-kafa teo amin'ny tany izay nonenany, mbamin'ireo izay teo amin'ny tanànan'i Davida tao Jerosalema, izay efa nahavita trano mimanda, ka nivoaka avy ao nandoto ny manodidina ny fitoerana masina sy nametaveta fatratra ny fahamasinany. 37Nametrahany Jody mpiady mahery tao, sy nohamafisiny koa, mba ho azo antoka ny fiarovana ny tany sy ny tanàna, ary nasondrony ny mandan'i Jerosalema. 38Noho izany, notapahin'i Demetriosa mpanjaka fa izy no ho mpisorona lehibe, 39notondroiny ho sakaizany izy, ary nomeny voninahitra ambony dia ambony. 40Satria reny fa hoe ny Romana dia niantso ny Jody ho sakaiza aman-kavana ary rahalahy, sady nandray tamim-panajana ny irak'i Simona. 41Ka dia sitraky ny Jody sy ny mpisorona ny haha-mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva an'i Simona mandra-pisehon'izay mpaminany mendrika hinoana; 42ka dia izy no hifehy ny tafik'izy ireo, hikarakara ny zava-masina, hanendry ny lehibe amin'ny raharaham-panjakana izay hitondra ny tany sy hitandrina ny fiadina ary hiaro ny trano mimanda; 43izy no hikarakara ny zava-masina; hanaiky azy ny olona rehetra ary ny raharaham-panjakana rehetra amin'ny tany hosoratana amin'ny anarany, ary hitondra akanjo jaky sy volamena izy. 44Na iza na iza amin'ny vahoaka, na amin'ny mpisorona, tsy misy mahazo mitsipaka amin'ireo zavatra vao voalaza ireo, na dia iray aza, na manohitra ny didy omeny, na dia iray aza, na miantso fivoriana eo amin'ny tany, na dia iray aza, raha tsy nomeny làlana; na mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena. 45Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin'izany didy izany, na mandika ny sasany aminy, ho voaheloka ho sazina. 46Sitraky ny vahoaka ny anomezana fahefana an'i Simona hanao araka izany didy izany. 47Neken'i Simona izany, nankasitrahany tsara ny hanao ny raharahan'ny mpisorona lehibe, lohan'ny tafika, mpanapaka ny Jody mbamin'ny mpisorona, ary hanao ny raharahan'ny mpifehy ambony indrindra.
       48Dia tapaka fa hosoratana amin'ny takela-barahina izany teny izany, ka hapetraka amin'ny lalan-tsara ao amin'ny tempoly amin'ny fitoerana miharihary; 49ary hasiana kopian'izany koa ao amin'ny efitrano firaketana mba hoentin'i Simona sy ny zanany amin'izay ilany azy. >