Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 15
Nankatoavin'i Antiokosa ny fahefan'i Simona, nefa nirahiny hamely azy Sendebe, na dia teo aza ny taratasin'ny Romana.

       1Avy teo amin'ireo nosin-dranomasina no nandefasan'i Antiokosa zanak'i Demetriosa taratasy ho an'i Simona mpisorona sy lehiben'ny Jody sy ho an'ny firenena rehetra. 2Toy izao no voasoratra ao: Ny mpanjaka Antiokosa manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe sy mpifehy faritany, ary ho an'ny firenena Jody: Arahaba! 3Noho ny nahazoan'ireo olon-dratsy ny fanjakan'ny razanay, dia tiako ny haka azy indray, hampodiako azy amin'ny toetrany taloha, ka efa namory miaramila maro sy nanomana sambo mpiady betsaka aho; 4ary nikasa hiakatra any amin'ny tany aho izao, hamaly ny ratsy nataon'ireny, izay nandringana ny tany sy nandrava ny tanàna maro be teo amin'ity fanjakana ity. 5Ankatoaviko avokoa ny fanahafana amin'ny hetra nomen'ireo mpanjaka talohako anao, mbamin'ny fanahafana hafa rehetra nomeny anao koa. 6Omeko làlana hianao hanefy vola misy ny sarinao ho an'ny taninao. 7Aoka hahazaka tena Jerosalema sy ny tempoly; apetraka ho anao avokoa ny fiadiana nataonao, mbamin'ny trano mimanda naorinao sy tànanao. 8Apetraka ho anao koa ny zavatra rehetra tsy maintsy naloa na mbola haloa amin'ny rakitry ny mpanjaka, hatramin'izao sy mandrakizay. 9Rahefa tafiditra avy nahazo ny fanjakanay indray izahay, dia homenay voninahitra lehibe hianao sy ny firenenao ary ny fitoerana masina, ka hamirapiratra eran'izao tontolo izao ny voninahitrareo amin'izany.
       10Tamin'ny taona fahefatra amby fitopolo amby zato dia niroso ho any amin'ny tanindrazany Antiokosa, ary tonga nilahatra homba azy avokoa ny miaramila, hany ka lehilahy vitsivitsy sisa tafajanona teo amin'i Trifona. 11Nanomboka nanenjika azy Antiokosa mpanjaka, ka any Dora, amoron-dranomasina, Trifona no niezaka nandositra; 12satria hitany fa ratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny koa nandao azy. 13Tonga nitoby teo anoloan'i Dora Antiokosa nitondra miantafika roa alina sy iray hetsy, sy an-tsoavaly valo arivo. 14Notemerany ny tanàna, fa nanatona avy etsy an-daniny teo amin'ny ranomasina koa ny sambo, ka voateriny izy na an-tanety na an-dranomasina, tsy nisy olona navelany hiditra na hivoaka.
       15Tamin'izany no tonga avy any an-tanànan'i Roma Nomeniosa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an'ny mpanjaka sy ny faritany rehetra, ka izao no teny tao aminy:
       16Losiosa konsilin'ny Romana manoratra ho an'i Ptolemea mpanjaka: Arahaba! 17Tonga taty aminay, araka ny maha-havana azy sy mpikambana aminay, ny ambasadaoron'ny Jody nirahin'i Simona mpisorona lehibe mbamin'ny vahoaka Jody, hanavao ny fanekena amam-pihavanana natao taloha. 18Nitondra ampinga volamena lanjan'arivo mina izy ireo. 19Noho izany, sitrakay ny manoratra ho an'ny mpanjaka sy ny firenena, mba tsy hanao izay hamohehatra azy, na hiady amin'izy ireo, na amin'ny tanànany, na amin'ny fireneny, na hanampy an'izay miady aminy. 20Sitrakay ny nandray izany ampinga izany tamin'izy ireo. 21Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana tany amin'izy ireo, tonga aty aminareo, dia atolory an'i Simona mpisorona lehibe izy, hofaiziny araka ny lalany.
       22Izany taratasy izany dia nalefa koa ho an'i Demetriosa mpanjaka, Atala, Ariarata, Arsasa, 23ary koa amin'ny faritany rehetra: Lampsaka, ny Sparsiata, Delosa, Minda, Sisiona, Karia, Samosa, Pamfilia, Lisia, Halikarnasa, Roda, Faselisa, Kosa, Sida, Aradosy, Gortina, Knida, Sipra, ary Sirena. 24Nokopiazin'izy ireo izany taratasy izany, ho an'i Simona mpisorona lehibe.
       25Tamin'ny andro faharoa, dia nasian'i Antiokosa mpanjaka Dora; narosony, narosony ihany ny miaramilany hanakaiky azy, sady nanorina milina izy, ka voahidiny tao Trifona, tsy nisy afa-niditra na nivoaka. 26Tamin'izay Simona nandefa fanampiana ho any aminy, dia miaramila roa arivo voafantina, mbamin'ny volafotsy sy volamena ary fiasana be ihany. 27Tsy nety nandray izany ny mpanjaka, fa notsipahiny ny fanekena rehetra nataony taloha tamin'i Simona, dia nihatahany izy. 28Atenofiosa, iray amin'ireo sakaizany, no nirahiny hiresaka aminy sy hilaza aminy hoe: Hianareo efa mitana an'i Jope, Gazara, ny trano mimandan'i Jerosalema tanànan'ny fanjakako; 29nandrava ny manodidina azy ka nanimba zavatra be teo amin'ny tany, ary nahalasa toerana betsaka anisan'ny fanjakako. 30Koa ankehitriny, atolory ny tanàna nalainareo sy ny hetran'ny tany lasanareo, ivelan'ny faritanin'i Jodea, 31na manomeza hianareo talenta volafotsy diman-jato, ho solon'izany, sy talenta diman-jato hafa koa, noho ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin'ireo tanàna ireo; fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay. 32Nony tonga tao Jerosalema Atenobiosa sakaizan'ny mpanjaka, ka naahita ity firentirentin'i Simona, izato latabatra rakotry ny kapoaka volamena sy volafotsy mbamin'ity voninahitra be nisehoany, dia nitolagaga ery ka ny tenin'andriana no naveriny nolazainy.
       33Fa hoy Simona taminy: Tsy naka tanin'olona hafa izahay, na nahalasa zavatr'olona fa ny lovan-drazanay izay notanan'ny fahavalonay tsy an-drariny, nandritra ny fotoana vitsivitsy ihany. 34Ka nony nahita fotoana tsara hohararaotina izahay, dia nanaraka ny lovan-drazanay. 35Ary raha ny amin'i Jope sy Gazara izay takinao dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo; nefa hanome talenta zato ihany izahay noho ny amin'ireo. Tsy namaly Atenobiosa na indraim-bava aza, 36fa lasa izy niverina an-katezerana ho any amin'ny mpanjaka, nilaza taminy ny valy nataon'i Simona, ny hakanton'ny ao an-dapany, mbamin'izay rehetra hitany, ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.
       37Ary Trifona kosa nandositra an-tsambo ho any Ortosiasa. 38Ka dia Sendebe no notendren'ny mpanjaka ho komandy teo amin'ny moron-dranomasina sady nomeny foloalin-dahy an-tongotra sy an-tsoavaly. 39Ary nandidy azy izy hiorin-toby tandrifin'i Jodea, hanamafy an'i Gedora, hanamafy ny vavahadin'io, ary hiady amin'ny vahoaka. Ny mpanjaka kosa tamin'izany, nanenjika an'i Trifona. 40Dia nankany Jamnia Sendebe ka nanomboka hanorisory ny vahoaka, nananika an'i Jodea, nanao sambo-belona, ary nanao vonoan'olona.
       41Nohamafisiny Gedora, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, hivoaka hanafika sy hampidi-doza eny an-dalamben'i Jodea araka ny nandidian'ny mpanajaka azy. >