Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-16

1 Niakatra avy any Gazara Joany, ka tonga nilaza tamin-drainy ny nataon'i Sendebe.

2 Dia nantsoin'i Simona Jodasa sy Joany zanany roalahy zokiny indrindra, ka hoy izy taminy: Izaho sy ireo rahalahiko, dia nandresy ny fahavalon'Israely hatramin'ny fahatanoranay ka mandrak'androany, ary matetika izahay no mahavatra namonjy an'Israely tamin'ny tànanay. 3 Ankehitriny izaho ity efa antitra, hianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian'Andriamanitra, ka aoka hianareo handimby ahy sy ny rahalahiko; mandehana miady ho an'ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin'ny lanitra. 4 Dia nifantina mpiantafika roa alina sy mpitaingin-tsoavaly tany amin'ny tany izy, ka niainga ireo hamely an'i Sendebe: nitoby alina tao Modìna izy ireo. 5 Nifoha maraina izy ireo dia niroso ho eo amin'ny tany lemaka, ka indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy; ny lalan'ny ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy ireo. 6 Niorin-toby teo an-tandrifin'izy ireo Joany sy ny tariny. Hitany fa matahotra ny hita ny ranon-driaka ny miaramilany, ak dia izy no nita voalohany; nony nahita izany ireto mpiantafiny, dia nita nanaraka azy. 7 Nozarainy ho antokony roa ny tafiny, ary nalahany teo anelanelan'ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly; ny an-tsoavalin'ny fahavalo izany maro dia maro. 8 Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ka vaky nandositra Sendebe sy ny tafiny; maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin'ny trano mimanda. 9 Jodasa rahalahin'i Joany naratra tamin'izay, fa Joany kosa nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Gedora izay nohamafisin'i Sendebe. 10 Nandositra hatrany amin'ireo tilikambo teo an-tsahan'i Azota ireo resy; ary izy kosa nandoro ny tanàna tamin'ny afo. Roa arivo tamin-dry zareo no maty vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea Joany. 11 Ptolemea zanak'i Abobosa dia voatendry ho komandin'ny miaramila eo amin'ny tany lemak'i Jerikao; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,

12 fa vinanton'ny mpisorona lehibe ka tonga niavonavona tao am-pony. 13 Naniry ho tonga tompon'ny tany izy, ka nisain-dratry hamadika an'i Simona mbamin'ireo zanay, mba hahafaty an'ireo. 14 Simona izany nitsiditsidika ireo tanànan'i Jodea, nilozoka tamim-pitandremana lehibe amin'izay hiadanan'izy ireo, ka nidina tany Jerikao izy mbamin'i Matatiasa zanany, sy Jodasa, tamin'ny taona fahafito amby fitopolo amby zato, volana faharaika ambin'ny folo, dia volana Sabata izany. 15 Naraisin'ity zanak'i Abobosa tamin-kafetsena izy ireo, tao amin'ny trano mimanda kely nampanaoviny, atao hoe Daoka; nanomana fanasana lehibe ho azy ireo izy ary nasiany miaramila niafina tao. 16 Nony mamo Simona sy ireto zanany, noraisiny ny fiadiany, dia niantoraka tamin'i Simona tao an-trano fanasana izy, ka namono azy sy ireo zanany roalahy, mbamin'ny mpanompony vitsivitsy. 17 Sady nahavita famadihana lehibe izy tamin'izany no namaly ratsy ny soa. 18 Nanoratra niaraka tamin'izay Ptolemea ho any amin'ny mpanjaka, hilaza aminy ny zava-niseho sy nangataka azy handefa miaramila hanampy azy, mba hanolorany aminy ny tany aman-tanànan'ny Jody.

19 Naniraka olon-kafa koa izyz ho any Gazara hamono an'i Joany; ary nandefsany taratasy ireo jeneraly, nantsoiny hanatona azy, homeny volafotsy sy volamena ary fanomezana. 20 Nisy olona hafa koa nalefany hitana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly. 21 Saingy lasa teo aloha ny iraka anankiray, ka tonga nilaza tamin'i Joany tao Gazara ny namonoana an-drainy mbamin'ireo rahalahiny, sady nanampy teny izy hoe: Naniraka mpamono koa izy hamono anao. 22 Hana foana teo Joany nony nandre izany vaovao izany; nosamboriny ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny, satria fantany ny fikasany hamono azy. 23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joany, ny ady nataony, ny herim-po nasehony, ny manda nampanaoviny, mbamin'ny zava-nataony rehetra,

24 dia efa voasoratra vokoa, ao amin'ny Tantaran'ny naha-mpisorona lehibe azy, hatramin'ny andro nahatonga azy ho mpisorona lehibe nandimby an-drainy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1286