Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-11

1 Afatsy ny zanakavavin'i Faraona, maro koa no vehivavy hafa firenena tian'i Salomona, dia ny Moabita, ny Amonita, ny Edomita, ny Sidoniana, ny Heteana,

2 ary amin'ireo firenena nilazan'ny Tompo tamin'ny zanak'Israely hoe: Hianareo tsy handeha amin'ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy avilin'ireny ny fonareo mankaminin'ny andriamaniny, kanjo raiki-pitia tamin'ireo Salomona. 3 Fiton-jato no vadiny andriambavy, ary telon-jato no vaditsindranony, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony. 4 Fa nony tamin'ny fahanteran'i Salomona, dia natongilan'ny vadiny ho amin'ny andriamani-kafa ny fony, ka tsy mba an'ny Tompo Andriamaniny manontolo, toy ny fon'i Davida rainy, ny fony, 5 fa nanaraka an'i Astarte andriamani-bavin'ny Sidoniana Salomona, sy an'i Melkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Koa nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo Salomona, fa tsy mba nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo, tahaka an'i Davida rainy. 7 Tamin'izany nanorina fitoerana avo Salomona teo amin'ny tendrombohitra tandrifin'i Jerosalema, ho an'i Kamosa fahavetavetan'i Moaba, sy ho an'i Malaoka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Nanao toy izany koa izy ho an'ny vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an'ny andriamanitr'izy ireo. 9 Dia tezitra tamin'i Salomona Iaveh noho ny nivilian'ny fony niala tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izay efa niseho taminy indroa,

10 sady efa nandrara azy ny amin'izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina ny didin'ny Tompo izy. 11 Ka hoy Iaveh tamin'i Salomona: Noho izao fitondran-tenanao izao, ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalako izay nandidiako anao hianao, dia hotsoahako marina tokoa eo an-tànanao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao. 12 Tsy hataoko amin'ny andronao anefa izany, noho ny amin'i Davida rainao, fa rahefa mby amin'ny zanakao vao hoendahako aminy izy. 13 Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako, fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin'i Davida mpanompoko, sy noho ny amin'i Jerosalema izay voafidiko. 14 Nananganan'ny Tompo fahavalo Salomona, dia Adada Edomita, tamingam-panjakan'i Edoma.

15 Tamin'ny andro niadian'i Davida tamin'i Edoma, raha niakatra handevina ny maty Joaba filohan'ny tafika, dia namono ny lehilahy rehetra tany Edoma. 16 Ary nitoetra tany enim-bolana Joaba mbamin'Israely rehetra, mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany Edoma. 17 Tamin'izany Adada niara-nandositra tamin'ny Edomita sasany, izay isan'ny mpanompon-drainy, mba ho any Ejipta. Mbola zazalahy tanora Adada fahizay. 18 Nony niala tany Madiana izy, dia nankany Farana, ary naka olona avy tao Farana hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, ka nomen'izy io trano Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany. 19 Nahita fitia teo imason'i Faraona tokoa Adada, fa nomeny ho vadiny aza ny rahavavin'ny vadiny, dia ny rahavavin'i Tafnesa mpanjakavavy. 20 Nitera-dahy taminy ny rahavavin'i Tafnesa, dia Genobata, izay notazain'i Tafnesa tao an-tranon'i Faraona, dia nipetraka tao an-tranon'i Faraona Genobata teo afovoan'ny zanak'i Faraona. 21 Nony ren'i Adada, tany Ejipta, fa hoe nodimandry any amin'ny razany Davida, ary maty koa Joaba filohan'ny tafika, dia hoy izy tamin'i Faraona: Avelao aho hody any amin'ny taniko. 22 Fa hoy Faraona taminy: Inona no tsy mahampy ny ilainao eto amiko, no dia maniry hody any amin'ny taninao hianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha. 23 Nananganan'Andriamanitra fahavalo hafa koa Salomona, dia Razona, zanak'i Eliada, izay nandositra niala tao amin'i Adarezera tompony, mpanjakan'i Soba.

24 Namory olona homba azy izy, ka tonga lehiben'ny andiam-pireneny fony Davida namono ny antoko miaramilan'ny tompony. Dia nankany Damasa izy ireo ka niorim-ponenana tao, dia nanjaka tao Damasa. 25 Nandritra ny andro rehetra niainan'i Salomona, dia nitsangan-ko fahavalon'Israely, nanampy ny ratsy nafitsok'i Adada, ary nankahala an'Israely. Nanjaka tamin'i Siria izy. 26 Nanainga tànana tamin'ny mpanjaka, Jeroboama, zanak'i Nabata, Efrateana, avy any Sareda, izy; ary vehivavy mpitondra tena atao hoe Sarva no reniny ary mpanompon'i Salomona izy.

27 Izao no nahatonga azy hikomy amin'ny mpanjaka: Nanorina an'i Melao sy nanampina ny banga tamin'ny tanànan'i Davida rainy Salomona. 28 Ary io Jeroboama io dia lehilahy matanjaka sy mahery fo, ka hitan'i Salomona ny fahavitrihan'io zatovo io amin'ny raharaha, ka nataony mpitandrina ny mpanao fanompoana rehetra tamin'ny taranak'i Josefa. 29 Tamin'izany andro izany, raha nivoaka avy tao Jerosalema Jeroboama dia nifanojo teny an-dàlana tamin'i Ahiasa mpaminany, avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao: izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin'izany. 30 Nalain'i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo, 31 dia hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo, fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Indro, hendahako avy eo an-tanan'i Salomona ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo, 32 fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin'i Davida mpanompoko sy noho ny amin'i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra. 33 Ary ny anton'izany dia noho izy ireo efa nandao ahy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarte, andriamanibavin'ny Sidoniana, sy teo anatrehan'i Melkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, ary noho izy ireo tsy nandeha tamin'ny làlako, mba hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didy amam-pitsipiko, tahaka ny nataon'i Davida rain'i Salomona. 34 Amin'ny andro rehetra hiainany anefa, tsy hanatsoahako eo am-pelatànany akory ny fanjakana na tapany aza, fa hampaharetiko ho Andriana izy noho ny amin'i Davida mpanompoko, izay nofidiko, sy nitandrina ny didy aman-dalàko. 35 Fa rahefa mby an-tanan'ny zanany vao hesoriko ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo. 36 Homeko foko iray ny zanany mba hananan'i Davida mpanompoko, fanilo eo anatrehako mandrakariva, any Jerosalema izay tanàna voafidiko hametrahako ny anarako. 37 Halaiko hianao, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao, ary ho mpanjaka amin'Israely. 38 Raha manaraka izay rehetra andidiako anao hianao, ka mandeha amin'ny làlako, sy manao izay mahitsy eo imasoko, mitandrina ny lalàna aman-didiko, tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia homba anao aho, hanao trano maharitra ho anao, tahaka ny nataoko tamin'i Davida mpanompoko ary homeko anao Israely. 39 Fa ny taranak'i Davida kosa haetriko noho ny fivadihany; tsy ho mandrakizay anefa izany. 40 Notadiavin'i Salomona hovonoina Jeroboama; fa nitsoaka nandositra nankany Ejipta amin'i Sesaka, mpanjakan'i Ejipta, Jeroboama ka nonina tany Ejipta mandra-pahafatin'i Salomona. 41 Ny sisa amin'ny asa nataon'i Salomona, ny zavatra rehetra nataony sy ny fahendreny, moa tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny Asan'i Salomona va?

42 Efapolo taona no andro nanjakan'i Salomona tao Jerosalema tamin'Israely rehetra.

43 Dia nodimandry any amin'ny razany Salomona ka nalevina tao an-tanànan'i Davida rainy. Ary Roboama zanany no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2083