Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-12

1 Nankany Sikema Roboama, fa tonga tany Sikema Israely rehetra hampanjaka azy.

2 Nony nandre izany Jeroboama zanak'i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany lavitra an'i Salomona mpanjaka, ka nitoetra tany Ejipta Jeroboama, 3 dia nampanalain'ny olona. Tamin'izay Jeroboama sy ny fiangonan'Israely rehetra, dia nanatona ka niteny tamin'i Roboama nanao hoe: 4 Rainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa hianao kosa ankehitriny, dia hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay. 5 Ary izao no nolazainy taminy: Mandehana aloha hianareo, hateloana vao miverina aty amiko indray. Dia lasa ny vahoaka. 6 Ary nila hevitra tamin'ny zokiolona Roboama mpanjaka, dia tamin'ireo nitoetra teo anatrehan'i Salomona rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: Inona no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

7 Dia niteny taminy izy ireo nanao hoe: Raha izao hianao no mety hanampy ny vahoaka, raha mamonjy azy sy manome valin-teny ary manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. 8 Navelan-dRoboama anefa ny hevitra nomen'ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra, 9 ka hoy izy tamin'ireo: Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin'ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay! 10 Dia namaly ireto tovolahy indray nihira taminy, ka nanao hoe: Izao no havalinao ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampahavesatra ny jiogany, fa hianao kosa hamaivano aminay izany. Izao no holazainao azy ireo: Lehibe noho ny valahan'ikaky ny ankihikeliko, 11 ka izao ary: Ikaky nampitondra jioga mavesatra anareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra an'izany aminareo; kotopia no namaizan'ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo. 12 Nony tamin'ny andro fahatelo, dia nanatona an-dRoboama Jeroboama sy ny vahoaka, araka ny tenin'ny mpanjaka hoe: Miverena atý amiko indray raha afaka hateloana.

13 Teny mafy no navalin'ny mpanjaka ny vahoaka. Navelany ny hevitra nomen'ny zokiolona, fa araka ny hevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: 14 Ikaky nampahavesatra ny jioganareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra ny jioganareo; kotopia no namaizan'ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo. 15 Koa dia tsy nihaino ny vahoaka ary ny mpanjaka, ary izany no fomba nalahatry ny Tompo, hahatanterahan'ilay teny nolazain'ny Tompo tamin'i Jeroboama, zanak'i Nabata, tamin'ny alalan'i Ahiasa avy ao Silao. 16 Nony hitan'Israely rehetra fa tsy nohenoin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny navalin'ny vahoaka ny mpanjaka: manana anjara inona amin'i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin'ny zanak'Isai akory izahay! Koa samia ho any an-dainao, ry Israely! Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao. Dia lasa Israely nankany an-dainy.

17 Fa ny zanak'Israely nonina tamin'ny tanànan'i Jodà, no sisa nanjakan-dRoboama. 18 Naniraka an'i Adorama, lehiben'ny mpamory hetra, Roboama mpanjaka, tamin'izay; fa notorahan'Israely rehetra vato io, ka maty. Izay Roboama mpanjaka vao niakatra tamin'ny kalesy anankiray faingana, handositra ho any Jerosalema. 19 Toy izany no niendahan'Israely tamin'ny tranon'i Davida mandrak'androany. 20 Nony ren'Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta Jeroboama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin'ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin'Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon'i Davida afatsy ny fokon'i Jodà irery ihany.

21 Vao tonga tany Jerosalema Roboama, dia namory ny tranon'i Jodà rehetra sy ny fokon'i Benjamina, dia miaramila valo alina sy iray hetsy voafantina, hiady amin'ny tranon'Israely, ka hampody ny fanjakana indray amin-dRoboama zanak'i Salomona.

22 Kanjo, tonga tamin'i Samaiasa olon'Andriamanitra ny tenin'Andriamanitra nanao hoe: 23 Mitenena hianao amin-dRoboama zanak'i Salomona mpanjakan'i Jodà sy amin'ny taranak'i Jodà sy Benjamina ary amin'ny vahoaka sisa, ka ataovy hoe: 24 Izao no lazain'ny Tompo: Aza miakatra ary aza miady amin'ny zanak'Israely, rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy hianareo, fa dia izaho no nahatongavan'izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'ny Tompo izy ireo, ka samy nody, nanaraka ny tenin'ny Tompo. 25 Sikema any amin'ny tendrombohitr'i Efraima no naorin'i Jeroboama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an'i Fanoela.

26 Ary hoy Jeroboama anakampony: Mba mety ho tafaverina amin'ny tranon'i Davida ihany ny fanjakana izao. 27 Raha miakatra hanao sorona any an-tranon'ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon'ity vahoaka ity hankany amin'ny tompony indray, amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà. 28 Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak'omby volamena roa ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Efa ela niakarana tany Jerosalema hianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 29 Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. 30 Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Danà hivavaka amin'ny anankiray amin'ireo ny vahoaka. 31 Nanao trano ho an'ny fitoerana avo Jeroboama, ary namorona mpisorona nalainy tamin'ny vahoaka fa tsy isan'ny taranak'i Levì. 32 Nisy fety noforonin'i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin'i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony otely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan'ny olona sorona amin'ireo zanak'omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron'ireo fitoerana avo, izay natsangany. 33 Dia niakatra teo ambin'ny otely nataony tany Betela izy, tamin'ny andro fahavalo, izay volana nofidin'ny tenany. Ary namorona fety ho an'ny zanak'Israely izy, ka niakatra teo amin'ny otely handoro ny fanatitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0646