Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-15

1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folon'ny nanjakan'i Jeroboama zanak'i Nabata, no nahatongavan'i Abiama ho mpanjakan'i Jodà.

2 Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanakavavin'i Abesaloma no anaran-dreniny. 3 Nandeha tamin'ny fahotan-drainy rehetra, izay nataony teo alohany, izy, ary tsy mba an'ny Tompo, toy ny fon'i Davida rainy, ny fony manontolo. 4 Noho ny amin'i Davida anefa, Iaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an'i Jerosalema. 5 Satria Davida nanao izay mahitsy teo imason'ny Tompo, fa tsy mba nivily tamin'ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afatsy tamin'ny raharahan'i Oria, Heteana, ihany. 6 Niady Roboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany. 7 Ny sisa tamin'ny asan'i Abiama, mbamin'izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà? Niady Abiama sy Jeroboama.

8 Ary nodimandry any amin'ny razany Abiama, ka nalevina ao an-tanànan'i Davida. Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy. 9 Tamin'ny taona faharoapolon'ny nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'Israely, no nahatongavan'i Asà ho mpanjakan'i Jodà.

10 Iraika amby efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema, ary Maakà, zanakavavin'i Abesaloma no anaran-dreniny. 11 Nanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo tahaka an'i Davida rainy Asà.

12 Nofoanany tamin'ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy. 13 Maakà reniny aza, naongany amin'ny maha-renin'ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an'i Astarte. Nazeran'i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany teo amin'ny ranon-driaka Sedròna. 14 Nefa tsy dia foana ny fitoerana avo, na dia an'ny Tompo aza ny fon'i Asà manontolo, tamin'ny andro rehetra niainany. 15 Nampidirany ho eo an-tranon'ny Tompo ny zavatra natokan-drainy sy ny zavatra natokan-tenany, dia volafotsy sy volamena ary kapoaka. 16 Niady nandritra ny andro rehetra niainany Asà sy Baasà mpanjakan'Israely.

17 Niakatra hamely an'i Jodà Baasà, mpanjakan'Israely, ary nanorina an'i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan'i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra. 18 Nalain'i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan'ny mpanompony; dia nalefan'ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin'i Ben-Hadada zanak'i Tabremona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe: 19 Aoka hisy fanekena, toy ny tamin-draiko sy tamin-drainao, amiko sy aminao. Ary indro aho mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao, ka andeha tsoahy ny fanekenao tamin'i Baasà, mpanjakan'Israely, mba hialany aty amiko. 20 Dia nohenoin'i Ben-Hadada i Asa mpanjaka, ka nirahiny ny filohan'ny tafiny hamely ny tanànan'Israely, ka noreseny avokoa Ahiona, Danà, Abela-Beta-Maakà, mbamin'ny Kenerota rehetra sy ny tanin'i Neftalì rehetra. 21 Nony nandre izany Baasà, dia nitsahatra tsy nanorina an'i Ramà, fa nitoetra tao Tersa izy. 22 Ary nasain'i Asà natsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran'i Baasà an'i Ramà, ka izany no nanorenany an'i Gabaan'i Benjamina sy Masfà. 23 Ny sisa tamin'ny asa vitan'i Asà, mbamin'ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron'ny fahanterany.

24 Dia nodimandry any amin'ny razany Asà ka nalevina tao akaikin'ny razany, tao an-tanànan'i Davida. Ary Josafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy. 25 Tamin'ny taona faharoan'i Asà, mpanjakan'i Jodà, no tonga mpanjakan'Israely Nadaba zanak'i Jeroboama; ary roa taona no nanjakany tamin'Israely.

26 Nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo izy, fa nandeha tamin'ny làlan-drainy sy tamin'ny fahotan-drainy izay nampanaoviny an'Israely. 27 Nanao teti-dratsy nanohitra azy Baasà, zanak'i Ahiasa, amin'ny taranak'Isakara, ka namely azy teo Gebetona izay an'ny Filistina; fa nanao fahirano an'i Gebetona Nadaba sy Israely rehetra tamin'izay. 28 Dia matin'i Baasà izy, tamin'ny taona fahatelon'i Asà mpanjakan'i Jodà, ka dia izy no nanjaka nandimby azy. 29 Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian'i Jeroboama, ka tsy nasiany niangana rahefa mety ho olona velona koa tamin'ny fianakavian'i Jeroboama, fa naringany daholo araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny alalan'i Ahiasa mpanompony, avy any Silao, 30 noho ny fahotan'i Jeroboama izay nataony sy izay nampanaoviny an'Israely, ka nampahatezerany an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tamin'izany. 31 Ny sisa tamin'ny asa nataon'i Nadaba mbamin'izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'Israely va izany?

32 Niady ihany Asà sy Baasà mpanjakan'Israely tamin'ny andro rehetra niainany. 33 Tamin'ny taona fahatelon'i Asà mpanjakan'i Jodà, dia tonga mpanjaka tamin'Israely rehetra tao Tersa kosa Baasà zanak'i Ahiasa, ary efatra amby roapolo taona no nanjakany.

34 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, ary nandeha tamin'ny làlan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana nampanaoviny an'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1126