Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-17

1 Ary Elia, Tesbita, isan'ny mponina tao Galaada, nilaza tamin'i Akaba hoe: Velona Iaveh, Andriamanitr'Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin'ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.

2 Dia tonga tamin'i Elia ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

3 Mialà eto hianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 4 Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any. 5 Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin'ny Tompo, ka lasa nonina tao amin'ny ranon-driaka Karita, tandrifin'i Jordany. 6 Nitondran'ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka. 7 Nony afaka kelikely anefa, dia ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin'ny tany, 8 ka tonga taminy ny tenin'ny Tompo, ka nanao hoe: 9 Miaingà hianao ka mankanesa any Sarefta, izay an'i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray. 10 Dia niainga izy, ka nankany Sarefta. Nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: Aza mahafady, mba angalao rano kely amin'ny fisotroana aho hosotroiko. 11 Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: Dia mba itondray mofo kely eny an-tànanao aho, raha sitrakao. 12 Fa hoy ny navaliny: Velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan'ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin'ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin'izany aho aloha, dia ento mankatý amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao hianao. 14 Fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pihavin'ny andro handatsahan'ny Tompo ranonorana eto ambonin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin'i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary Elia koa. 16 Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin'ny Tompo nolazainy tamin'ny alalan'i Elia. 17 Tatý aorian'izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon'aina intsony taminy.

18 Dia hoy ity vehivavy tamin'i Elia: Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon'Andriamanitra? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatý amiko? 19 Ary hoy ny navaliny azy: Atolory ahy ny zanakao. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin'ny efi-trano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany. 20 Dia niantso an'ny Tompo izy, nanao hoe: Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin'ity mpitondratena itoerako ity va hianao, ka hahafaty ny zanany va? 21 Ary niampatra intelo tamin'ny zaza izy, sady niantso an'ny Tompo nanao hoe: Iaveh Andriamanitro ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain'ity zaza ity! 22 Nohenoin'ny Tompo ny feon'i Elia, ka nody taminy indray ny ain'ilay zaza, dia tonga velona indray izy. 23 Ary noraisin'i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon'i Elia hoe: Inty fa velona ny zanakao. 24 Ka hoy ravehivavy tamin'i Elia: Fantatro amin'izao fa olon'Andriamanitra tokoa hianao, ka marina ny tenin'ny Tompo ao am-bavanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1312