Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-18
1 Nony afaka andro maro dia tonga tamin'i Elia ny tenin'ny Tompo tamin'ny taona fahatelo, nanao hoe: Mandehana miseho eo anatrehan'i Akaba, ka handatsaka ranonorana eo ambonin'ny tany aho.2 Dia niainga Elia hiseho eo anatrehan'i Akaba. Mafy ny mosary tao Samaria, 3 ka nampiantso an'i Abdiasa lehiben'ny tranony Akaba. Ary Abdiasa kosa dia natahotra an'ny Tompo, 4 fa fony Jezabela nandringana ny mpaminanin'ny Tompo, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany. 5 Ary hoy Akaba tamin'i Abdiasa: Mandehana mitety ny tany, mankany amin'ny loharano aman-dranon-driaka rehetra, fa angamba hisy ahitra, ka hovelomintsika ny soavaly sy mole, ka tsy hamonoantsika ny biby fiompintsika. 6 Dia nizara dia, hitetezana ny tany, izy roa lahy: Akaba moa nandeha samy irery tamin'ny làlana iray, Abdiasa kosa nandeha samy irery tamin'ny làlana iray. 7 Nony mby teny an-dàlana Abdiasa, indro Elia nifanena taminy: Niankohoka tamin'ny tany Abdiasa, nony nahalala azy, ka nanao hoe: Hianao va ity, ry Elia, tompoko?
8 Dia hoy ny navaliny azy: Eny, izaho ity, mandehana ilazao ny tomponao fa hoe ao Elia. 9 Fa hoy izy: Inona no heloka nataoko no dia atolotrao eo an-tanan'i Akaba ity mpanomponao, hovonoiny? 10 Fa velona Iaveh Andriamanitrao, tsy misy firenena na fanjakana tsy nanirahan'ny tompoko olona hitady anao, ary raha nilaza ny olona nanao hoe: tsy atý Elia, dia nasainy nianiana ny fanjakana sy ny firenena fa hoe: tsy nahita anao. 11 Hianao anefa ity ankehitriny, manao hoe: Mandehana lazao amin'ny tomponao hoe: ao Elia! 12 Ary rahefa handao anao aho izao, dia hoentin'ny Fanahin'ny Tompo hianao any amin'izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an'i Akaba, nefa hianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an'ny Tompo. 13 Tsy mba nisy nilaza tamin'ny tompoko va ny nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezabela ny mpaminanin'ny Tompo? Fa nanafina mpaminanin'ny Tompo zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin'ny zohy, novelomiko mofo sy rano. 14 Hianao anefa ity ankehitriny manao hoe: Mandehana ilazao ny tomponao fa hoe: Ao Elia, ka dia hovonoiny aho. 15 Fa hoy kosa Elia: Velona Iavehn'ny tafika izay itoerako eo anatrehany! Anio aho hiseho eo anatrehan'i Akaba. 16 Lasa nitsena an'i Akaba Abdiasa sy nilaza ny vaovao taminy, ka dia nankeo anatrehan'i Elia Akaba.
17 Vao nahita an'i Elia Akaba dia hoy Akaba taminy hoe: Atý va hianao, ry ilay mpanakorontana an'Israely? 18 Namaly Elia nanao hoe: Tsy izaho no mpanakorontana an'Israely, fa hianao indrindra sy ny fianakavian-drainao, amin'ny nandaozanareo ny didin'ny Tompo sy nandehananareo manaraka ny Baala. 19 Koa ankehitriny, maniraha olona hamory an'Israely rehetra ao amiko, any an-tendrombohitra Karmela, mbamin'ny mpaminanin'i Baala dimampolo amby efa-jato sy ny mpaminanin'i Astarte efa-jato, izay mihinana amin'ny latabatr'i Jezabela. 20 Dia naniraka nankany amin'Israely rehetra Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. 21 Ary Elia tamin'izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa hianareo? Raha Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha Baala kosa, manaraha azy. Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
22 Dia hoy Elia tamin'ny vahoaka: Izaho irery no sisa amin'ny mpaminanin'ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin'i Baala. 23 Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin'ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa. 24 Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo hianareo; izaho kosa hiantso ny anaran'ny Tompo. Ka izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia izay no Andriamanitra. Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: Tsara izany! 25 Dia hoy Elia tamin'ny mpaminanin'i Baala: Fidio ho anareo ny iray amin'ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa hianareo no maro, ary antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.
26 Dia nalain'ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran'i Baala izy, hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro, nanao hoe: Ry Baala ô, valio izahay! Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan'ny otely nataony izy ireo. 27 Nony nitatao vovonana ny andro, nesoesoin'i Elia teo izy ireo, nataony hoe: Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.
28 Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin'ny sabatra aman-defona araka ny fanaony, mandra-piloa-dra ny tenany. 29 Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan'ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory. 30 Izay Elia vao nanao tamin'ny vahoaka hoe: Manatòna ahy hianareo. Nony nanatona azy ny vahoaka, dia namboariny ny otelin'ny Tompo izay efa voarava.
31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, araka ny isan'ny fokon'ny zanak'i Jakoba, ilay niharan'ny tenin'ny Tompo hoe: Israely no ho anaranao. 32 Ireo vato ireo no nanaovany otely ho an'ny anaran'ny Tompo. Rahefa izany nasiany hady manodidina ny otely sahabo hahalany voa famafy indroan'ny famarana; 33 dia nalahany ny kitay hazo, norasainy ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo. 34 Ary hoy izy: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny sorona dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy izy: Ataovy fanindroany indray izany. Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: Ataovy fanintelony koa izany. Dia nanao izany fanintelony ny olona. 35 Ka nikorotsaka nanodidina ny otely ny rano, dia nasainy hofenoina rano koa ny hady. 36 Nony tamin'ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso Elia mpaminany, ka nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin'Israely hianao, ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
37 Mihainoa ahy, ry Iaveh ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran'ity vahoaka ity, fa hianao Iaveh Andriamanitra, ary hianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. 38 Dia latsaka tamin'izay ny afon'ny Tompo ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin'ny hady!
39 Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin'ny tany nanao hoe: Iaveh ihany no Andriamanitra, Iaveh ihany no Andriamanitra! 40 Ary hoy Elia tamin'izy ireo: Sambory ny mpaminanin'i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin'i Elia teo amin'ny ranon'i Sisaona, dia novonoiny teo. 41 Ary hoy Elia tamin'i Akaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan'ny orana.
42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Akaba, fa Elia kosa niakatra ho any an-tampon'i Karmela, sady niondrika tandrifin'ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan'ny lohaliny, 43 ary nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Miakara kely, tazano ny arý amin'ny ranomasina. Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy Elia: Miverena koa impito. 44 Nony tamin'ny fanimpitony, dia hoy izy: Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Ka hoy Elia: Mandehana lazao amin'i Akaba hoe: Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran'ny orana anao. 45 Vetivety foana dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela. 46 Ary teo amin'i Elia ny tànan'ny Tompo ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan'i Akaba, hatrany amin'ny fidirana any Jezrahela.