Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-19

1 Nolazain'i Akaba tamin'i Jezabela avokoa ny nataon'i Elia, sy ny namonoany ny mpaminaniny rehetra tamin'ny sabatra.

2 Ka naniraka olona ho any amin'i Elia, Jezabela, hilaza aminy hoe: Hataon'ireo andriamanitra amin'izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain'izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao. 3 Nony nahita izany Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an'i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony, 4 fa izy kosa nandroso làlana indray andro tany an'efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin'ny kofafam-bohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aoka izay! Alao amin'izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho. 5 Dia nandry izy, ka natory teo ambanin'ilay kofafam-bohitra. Fa indro nisy anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe: Miarena hianao, hihinana. 6 Nijery izy, ka indro tao amin'izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin'ny vato nafanaina, sy rano iray tavoara; ary rahefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. 7 Fa tonga fanindroany indray ilay anjelin'ny Tompo, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: Miarena hianao hihinana fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao. 8 Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin'ny hery azony tamin'izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr'Andriamanitra. 9 Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Maninona aty hianao, ry Elia?

10 Ka hoy ny navaliny: Feno hafanam-po ho an'ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin'ny zanak'Israely, ny otelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halana aina aho. 11 Ary hoy Iaveh: Mivoaha hianao, ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra, eo anatrehan'ny Tompo, fa indro handalo Iaveh. Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan'ny Tompo; nefa tsy tao amin'ny rivotra Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin'ny horohorohon-tany Iaveh. 12 Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin'ny afo Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy. 13 Ka raha nandre izay Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: Maninona aty hianao, ry Elia? 14 Ary hoy ny navaliny: Feno hafanam-po ho an'ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin'ny zanak'Israely, ny otelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halana aina aho. 15 Fa hoy Iaveh taminy: Mandehana amin'ny dianao indray ho any amin'ny efitr'i Damas; ka rahefa mby any hianao, hosory ho mpanjakan'i Siria Hazaela, 16 hosory ho mpanjakan'Israely Jehoa, zanak'i Namsi, ary hosory ho mpaminany handimby anao Elisea, zanak'i Safata, avy any Abela Mehola. 17 Ka izay ho afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jehoa, ary izay ho afa-mandositra ny sabatr'i Jehoa dia hovonoin'i Elisea. 18 Hamela fito arivo lahy ao amin'Israely anefa aho, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin'i Baala, ireo rehetra tsy nanoroka an'io tamin'ny vavany. 19 Nony niala teo Elia, dia nahita an'i Elisea, zanak'i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin'ny faharoa ambin'ny folo laharana izy. Nanatona azy Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.

20 Nilaozan'i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an'i Elia izy, nanao hoe: Aoka handeha hanoroka an'i dada sy ineny aho, dia hanaraka anao. Ary hoy Elia taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho? 21 Dia niala teo aminy Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan'ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin'ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an'i Elia sy nanompo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1186