Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

1 Nony efa akaiky ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Salomona zanany izy, nanao hoe:

2 Handeha amin'ny làlana falehan'ny tany rehetra aho ity, ka mahereza hianao, misehoa ho lehilahy. 3 Tandremo ny fanompoana an'ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny làlany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsìpika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, mba hahomby hianao amin'izay hataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, 4 ka dia hotanterahin'ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hianao. 5 Ary fantatrao ihany ny nataon'i Joaba zanak'i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy, Abnera zanak'i Nera, sy Amasà zanak'i Jetera, filohan'ny tafik'Israely, fa novonoiny ireo, ka ny rà fandatsaka amin'ny ady, nalatsany amin'izao tany mandry izao, ary ny rà fandatsaka amin'ny ady, dia nataony tamin'ny fehin-kibo teny am-balahany sy tamin'ny kapa teny amin'ny tongony! 6 Izay azon'ny fahendrenao no ataovy, fa aza avela hidina amim-piadanana any amin'ny fonenan'ny maty ny volo fotsiny. 7 Fa ireo zanak'i Berzelaia Galaadita kosa dia anehoy fitiavana ka aoka ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy ireo, fa tahaka izany koa no nanatonany ahy, fony aho nandositra teo anoloan'i Absaloma rahalahinao. 8 Indro eto akaikinao Semeia zanak'i Gerà, Benjamita, avy ao Bahorima. Ozona mafy no notononiny tamiko, tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima. Nefa noho izy nidina nitsena ahy tany Jordany dia nianiana taminy, tamin'ny anaran'ny Tompo aho, nanao hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra hianao. 9 Ary ankehitriny aza avela ho afa-maina anefa izy, fa olon-kendry hianao, ka mahalala izay tokony hanaovanao azy. Fandatsahan-drà no ampidinanao ny volo fotsiny any amin'ny fonenan'ny maty. 10 Dia nandry any amin'ny razany Davida, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida.

11 Efapolo taona no andro nanjakan'i Davida tamin'Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrona, ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema. 12 Ary Salomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany. 13 Ary Adoniasa zanak'i Hagita nankao amin'i Betsabea renin'i Salomona. Ary hoy ravehivavy: Hevi-pihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy ny navaliny: Eny, hevi-pihavanana,

14 sady nampiany hoe: Misy teny indraim-bava holazaiko aminao. Ka hoy ravehivavy: Lazao àry. 15 Dia hoy izy: Fantatrao fa efa tato amiko ny fanjakana; izaho no efa nandrandrain'Israely rehetra mba hanjakako. Kanjo nafindra ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa efa natokan'ny Tompo ho azy. 16 Koa ankehitriny, zavatra iray ihany no mba angatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Dia hoy ravehivavy namaly azy: Lazao. 17 Dia hoy izy: Miangavy anao aho hilaza amin'i Salomona mpanjaka, fa tsy handà anao izy, mba hanomezany an'i Abisaga Sonamita ho vadiko. 18 Dia hoy Betsabea: Tsy maninona fa dia hiteny amin'ny mpanjaka ny aminao aho. 19 Dia nankany amin'i Salomona mpanjaka, Betsabea, hilaza aminy ny amin'i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an'ny renin'ny mpanjaka, ka nipetraka teo an-kavanany ravehivavy. 20 Izay izy vao niteny hoe: Misy zavatra kely anankiray hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mangatàha, ry neny, fa tsy handà anao aho. 21 Dia hoy izy: Aoka homena ho vadin'i Adoniasa rahalahinao Abisaga Sonamita. 22 Fa hoy ny navalin'i Salomona mpanjaka tamin-dreniny: Ahoana no angatahinao an'i Abisaga Sonamita ho an'i Adoniasa? Angataho ho azy koa ny fanjakana; fa izy rahateo no zokiko, dia ho azy sy ho an'i Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba zanak'i Sarvià. 23 Nianiana tamin'ny Tompo teo Salomona mpanjaka, nanao hoe: Hataon'ny Tompo amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho faty noho ny nanaovany an'izany teny izany Adoniasa.

24 Koa ankehitriny, velona Iaveh ilay nampiorina sy nampipetraka ahy eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, sady nanorina trano ho ahy, araka ny voalazany rahateo, dia hovonoin-ko faty anio ihany Adoniasa. 25 Dia nanendry an'i Banaiasa zanak'i Joiadasa Salomona mpanjaka; nasian'io Adoniasa dia maty. 26 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Abiatara mpisorona: Mandehana hianao mankany amin'ny taninao, any Anatota, nefa noho hianao nitondra ny fiaran'ny Tompo Tompo teo anatrehan'i Davida raiko, sy noho hianao nanana anjara tamin'ny fahoriana rehetra nahazo an'ikaky, dia tsy hataoko maty amin'izao andro izao hianao.

27 Koa nesorin'i Salomona tsy ho mpisoron'ny Tompo intsony Abiatara, ary tanterany tamin'izany ilay teny nolazain'ny Tompo tany Silao amin'ny fianakavian'i Helì. 28 Tonga tao amin'i Joaba izany vaovao izany satria niandany tamin'i Adoniasa Joaba, na dia tsy niandany tamin'i Absaloma aza. Ary nandositra tao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Joaba, ka namikitra ny tandroky ny otely.

29 Ary nampandrenesina Salomona mpanjaka fa nandositra ao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Joaba, ka tao anilan'ny otely izy; ka nirahin'i Salomona Banaiasa nataony hoe: Mandehana asio izy. 30 Nony tonga tao amin'ny tabernaklan'ny Tompo Banaiasa, dia nilaza taminy hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha hianao. Fa hoy ny navaliny: Tsia, fa ho faty eto aho. Dia nakarin'i Banaiasa tamin'ny mpanjaka izany teny izany, nataony hoe: Izany no teny nataon'i Joaba, ary izany no navaliny ahy. 31 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Banaiasa: Dia ataovy araka ny voalazany, ka asio izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko, ny rà nalatsak'i Joaba tsy misy antony akory. 32 Hatsingerin'ny Tompo eo an-dohany ihany ny ràny, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasiany sy novonoiny tamin'ny sabatra, nefa tsy fantatr'i Davida raiko izany, dia Abnera zanak'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, sy Amasà, zanak'i Jetera, filohan'ny tafik'i Jodà. 33 Ka ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan'ny ràn'izy roa lahy ireo. Fa ny ho an'i Davida sy ny taranany mbamin'ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin'ny Tompo! 34 Dia niakatra Banaiasa zanak'i Joiadasa, ka namely an'i Joaba sy nahafaty azy, ary nalevina tany amin'ny fonenany tany an'efitra. 35 Banaiasa zanak'i Joiadasa no nataon'ny mpanjaka filohan'ny tafika, ho solony, ary Sadaoka no nataon'ny mpanjaka mpisorona, ho solon'i Abiatara. 36 Nampiantso an'i Semeia koa ny mpanjaka, dia nilaza taminy hoe: Manaova trano ho anao eto Jerosalema dia hitoeranao, ary tsy hialanao hivezivezy atsy amin'arý.

37 Fa amin'izay andro hivoahanao hita ny ranondriaka Sedrona no fantaro, fa tsy maintsy hahafatesanao; ary ho eo ambonin'ny lohanao ihany ny rànao. 38 Namaly ny mpanjaka Semeia nanao hoe: Tsara izany teny izany, ka hanao arak'izany voalazan'ny mpanjaka tompoko izany ny mpanomponao. Dia nitoetra andro maro be tany Jerosalema Semeia. 39 Kanjo nony afaka telo taona, dia sendra nandositra ny mpanompon'i Semeia roa lahy, tany amin'i Akisa, zanak'i Maakà, mpanjakan'i Geta. Dia nilazana izany Semeia, natao hoe: Indro any Geta ny mpanomponao. 40 Dia nitsangana Semeia nankany amin'i Akisa, any Geta. 41 Ary nambara tamin'i Salomona, fa niala tao Jerosalema Semeia nankany Geta, ka efa tafaverina. 42 Dia naniraka olona hiantso an'i Semeia ny mpanjaka ka hoy izy taminy: Tsy efa nampianiana anao tamin'ny Tompo va aho, sy nanome didy anao nanao hoe: Fantaro fa amin'ny andro hivoahanao hivezivezy atsý arý no tsy maintsy hahafatesanao! Ary tsy efa namaly va hianao, nanao tamiko hoe: Tsara izany teny izany? 43 Ka nahoana àry hianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'ny Tompo sy ny didy nomeko anao? 44 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Semeia: Fantatrao, eny fantatry ny fonao, ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, ka hatsingerin'ny Tompo amin'ny lohanao ny haratsianao. 45 Fa Salomona mpanjaka kosa hambinina ary ny seza fiandrianan'i Davida hatao mafy orina mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo. 46 Dia nomen'ny mpanjaka didy Banaiasa zanak'i Joiadasa, ka nivoaka namono an'i Semeia, ary maty izy. Ary niorina teo an-tànan'i Salomona ny fanjakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087