Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-21

1 Taorian'izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanim-boaloboka anankiray Nabota avy ao Jezrahela, ary teo akaikin'ny lapan'i Akaba mpanjakan'i Samaria izany.

2 Ka niteny tamin'i Nabota Akaba nanao hoe: Avelao mba ho ahy ny tanim-boalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanim-boaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao. 3 Fa hoy Nabota namaly an'i Akaba: Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie ny hanome ny lova avy amin'ny razako! 4 Nody tany an-tranony Akaba, nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain'i Nabota avy any Jezrahela taminy hoe: Tsy omeko ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry tao am-parafarany izy, nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina. 5 Fa nankeo aminy kosa Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina hianao

6 Ary hoy ny navaliny azy: Niteny tamin'i Nabota avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: Avelao hovidiko vola ny tanim-boalobokao, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha aleonao izany. Fa hoy izy hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko. 7 Dia hoy Jezabela vadiny taminy: Moa hianao va no tompon'ny fanjakana amin'Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanim-boalobok'i Nabota avy ao Jezrahela. 8 Dia nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Akaba izy, nasiany tombo-kasen'ny mpanjaka, nalefany ho any amin'ny loholona sy ny andriam-baventy ao an-tanàna miara-monina amin'i Nabota. 9 Ary izao no nosoratany ao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka apetraho eo alohan'ny vahoaka Nabota; 10 ary manangana olon'i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty. 11 Nanao araka izay nanirahan'i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin'ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan'i Nabota, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany.

12 Niantso andro fifadian-kanina izy, napetrany teo alohan'ny vahoaka Nabota, 13 ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak'i Beliala. Ary niampanga an'i Nabota teo anatrehan'ny vahoaka ireo olon'i Beliala nanao hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota! Dia nentin'izy ireo nankany ivelan'ny tanàna izy, notoraham-bato ka maty. 14 Dia naniraka tany amin'i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: Notoraham-bato Nabota ka maty. 15 Nony ren'i Jezabela fa notoraham-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Akaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony Nabota, fa efa maty izy. 16 Rahefa ren'i Akaba fa hoe maty Nabota, dia niainga izy, nidina nankany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota avy ao Jezrahela haka izany ho azy. 17 Fa tonga tamin'i Elia Tesbita kosa ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

18 Mitsangàna hianao, ka midìna hihaona amin'i Akaba mpanjakan'Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanim-boalobok'i Nabota ao izy izao, fa midìna nankany haka izany ho azy. 19 Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa tsy namono va hianao sy naka lovan'olona koa? Dia hiteny aminy hianao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Eo amin'ny toerana nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota ihany no hilelafan'ny alika ny ran'ny tenanao koa. 20 Ary hoy Akaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ka hoy ny navaliny: Azoko hianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo hianao. 21 Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafafa hianao, haringako ny lehilahy rehetra an'i Akaba na ny andevo, na ny olona afaka, amin'Israely, 22 ka dia hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata sy ny tranon'i Ahiasa, ny tranonao, satria nihaika ahy hitezitra hianao, sady nampanota an'Israely. 23 Jezabela koa, nasian'ny Tompo teny hoe: Hohanin'ny alika eny akaikin'ny hadin'i Jezrahela Jezabela. 24 Izay an'ny tranon'i Akaba ka maty an-tanàna dia hohanin'ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin'ny voromanidina. 25 Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an'i Akaba hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo, satria Jezabela vadiny no namporisika azy.

26 Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin'ny nandehanany amin'ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon'ny Amoreana, izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 27 Kanjo nony nandre ny tenin'i Elia Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasaka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasaka, ary nitsilasilasy fandeha izy.

28 Ka dia tonga tamin'i Elia Tesbita ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 29 Efa hitanao va ny nanetren'i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin'ny androny kosa aho fa amin'ny andron-janany vao hahatonga loza amin'ny tranony aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698