Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-4

1 Nanjaka tamin'Israely rehetra Salomona mpanjaka.

2 Izao no lehibe, mpanao raharahany: Azariasa, zanak'i Sadaoka, no filohan'ny mpanao raharaha. 3 Elihorefa sy Ahià, zanak'i Sisà, no mpanoratra; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry boky; 4 Banaiasa zanak'i Joiadasa no komandin'ny tafika; Sadaoka sy Abiatara no mpisorona, 5 Azariasa zanak'i Natàna no lehiben'ny mpikarakara ny hanin-kohanina; Zaboda zanak'i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka; 6 Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama zanak'i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana. 7 Nanana mpikarakara hanina roa ambin'ny folo lahy tamin'Israely rehetra Salomona. Ireo no namonona izay nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin'ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an'ny volana iray avy isan-taona.

8 Izao no anaran'izy ireo: Ben-Hora, tamin'ny tendrombohitr'i Efraima; 9 Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elona any Betanàna; 10 Ben-Heseda, tao Arobota, azy avokoa Sokao sy ny tany Efera rehetra; 11 Ben-Abinadaba, ny havoan'i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin'i Salomona no vadiny; 12 Banà, zanak'i Ahiloda: azy avokoa Tanàka sy Magedao ary Betsàna rehetra, akaikin'i Sartanà, eo ambanin'i Jezraela, hatrany Betsàna rehetra, akaikin'i Sartanà, eo ambanin'i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmeholà, hatrany ambadik'i Jekimaana; 13 Ben-Gabera tao Ramotan'i Galaada; izao no azy: ny tanàna madinik'i Jaira, zanak'i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe enimpolo, mimanda sy misy hidy varahina; 14 Ahinadaba zanak'i Adao tao Manaima; 15 Akimaasa tao Neftalì. Izy koa naka ho vady ny zanakavavin'i Salomona anankiray dia Basemeta; 16 Baanà, zanak'i Hosì, tao Asera sy Alota; 17 Josafata zanak'i Faroe, tao Isakara; 18 Semeia zanak'i Elà, tany Benjamina; 19 Gabara zanak'i Orì, tamin'ny tany Galaada, amin'ny tanin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, sy Oga mpanjakan'i Basàna, fa iray ihany no mpikarakara tamin'izany tany izany. 20 Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina Jodà sy Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1122