Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-5

1 Nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra, hatramin'ny ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Ejipta Salomona, ary nitondra fanatitra sy nanoa an'i Salomona nandritra ny andro niainany izy ireo.

2 Izao no hanina lanin'i Salomona isan'andro: lafarina tsara indrindra telopolo kora, lafarina antonintoniny enimpolo kora,

3 omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, 4 fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin'ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin'ny mpanjaka rehetra an-dafin'ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin'izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza. 5 Nandry fahizay Jodà sy Israely tamin'ny andro rehetra niainan'i Salomona, samy tao ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny avy hatrany Dàna ka hatrany Bersabea. 6 Efatra alina no efi-tranon'ny soavaly mpitarika kalesin'i Salomona, ary roa arivo sy iray alina no soavaly fitaingina. 7 Novononin'ireo mpikarakara hanina samy amin'ny volana anjarany avy, izay hanina nilain'i Salomona mpanjaka sy ireo rehetra voaray hiray latabatra amin'i Salomona mpanjaka, ka tsy navelany hisy tsy ampy na inona na inona. 8 Ny soavaly mpitarika kalesy sy fitaingina koa, dia nitondrany orja amana-mololo tany amin'izay toerana nisy azy, samy araka izay nandidiana azy avy. 9 Nomen'Andriamanitra fahendrena amam-pahiratan-tsaina lehibe, ary saina mahataka-javatra be toy ny fasika amoron-dranomasina Salomona,

10 ka nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendren'i Ejipta rehetra, ny fahendren'i Salomona. 11 Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany Etàna, Ezrahita, Hemàna, Kakola, Dordà ireo zanak'i Mahola, ary niely tamin'ny firenena rehetra manodidina ny lazany. 12 Nanao ohabolana telo arivo izy, nahavita tonon-kira dimy amby arivo. 13 Nanao lahateny momba ny zava-maniry izy, hatramin'ny hazo sedera maniry any Libàna ka hatramin'ny hisopa mitsimoka eny amin'ny ampiantany. Nandaha-teny momba ny biby efa-tongotra sy momba ny voromanidina koa izy, mbamin'ny biby mandady aman-kazandrano. 14 Avy amin'ny firenena rehetra, dia nisy olona tonga hihaino ny fahendren'i Salomona, ary avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay nandre ny lazan'ny fahendreny. 15 Ary Hirama, mpanjakan'i Tira, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Salomona, fa reny hoe voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy izy, ary sakaizan'i Davida hatrany hatrany Hirama.

16 Ary Salomona naniraka olona hilaza amin'i Hirama hoe: 17 Fantatrao fa Davida raiko, dia tsy afa-nanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny, noho ireo ady avy amin'ny fahavalony nanodidina azy, mandra-panaon'ny Tompo an'ireny ho eo ambany faladiany. 18 Fa izaho kosa ankehitriny, dia nomen'ny Tompo Andriamanitro fitsaharana amin'ny manodidina rehetra; fa tsy misy fahavalo na zava-manahirana intsony. 19 Ka indro aho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitro, araka ny voalazan'ny Tompo tamin'i Davida, raiko, hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao, handimby anao, no hanao ny trano ho an'ny anarako. 20 Koa ankehitriny asaovy misy mikapa hazo sedera ho ahy, any Libàna. Hiaraka amin'ny mpanomponao ny mpanompoko, ary homeko anao ho karaman'ny mpanomponao izay rehetra holazainao, satria fantatro fa tsy mba misy olona mahay mikapa hazo, toy ny Sidoniana, atý aminay. 21 Faly indrindra Hirama nony nandre ny tenin'i Salomona ka nanao hoe: Hankalazaina anie Iaveh ankehitriny fa nomeny zanaka hendry Davida, hanapaka izany vahoaka be izany.

22 Ary nanirahan'i Hirama olona Salomona hilaza hoe: Efa reko ny zavatra nampilazainao ahy, ka hotanterahiko ny fanirianao momba ny hazo sedera sy ny hazo sipresa. 23 Hampidinin'ny mpanompoko ho any amin'ny ranomasina izany avy any Libàna, dia hampitaiko ny ranomasina izany, ho any amin'izay toerana hotondroinao, any vao asaiko hovahany izy, hampanalainao. Ary hianao kosa hanatanteraka ny faniriako amin'ny famononan-kanina ho an'ny ankohonako. 24 Dia nomen'i Hirama an'i Salomona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa, araka izay nilainy,

25 ary ny nomen'i Salomona an'i Hirama kosa, dia varimbazaha roa alina kora, sy diloilo avy amin'ny oliva voatoto roapolo kora, ka isan-taona Salomona manome toy izany an'i Hirama ihany. 26 Nomen'ny Tompo fahendrena Salomona araka ny nampanantenainy azy, ary nihavana Hirama sy Salomona, ka nanao fanekena izy ireo. 27 Naka olona tamin'Israely rehetra Salomona ho mpanao fanompoana ary telo alina no isan'ny olona mpanao fanompoana.

28 Ireo no nirahiny hankany Libàna nifandimby isam-bolana, natao iray alina avy, ka iray volana izy no tany Libàna, roa volana kosa mba tany an-tranony, ary Adonirama no nifehy ny olona mpanao fanompoana. 29 Salomona koa nanana mpitondra entana fito alina, sy tambato teny an-tendrombohitra valo alina, 30 afa-tsy ny lehibe notendren'i Salomona hitandrina ny asa atao, izay nisy telon-jato sy telo arivo; izy ireo nifehy ny vahoaka izay niasa tamin'ny asa atao. 31 Vato lehibe, vato voafantina no nasain'ny mpanjaka nalaina mba hanorenana ny fototry ny trano amin'ny vato voapaika. 32 Ny mpandrafi-baton'i Salomona sy ny mpandrafi-baton'i Hirama, ary ny Gibliana, no nipaika sy namboatra ny hazo sy ny vato hanaovana ny trano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.039