Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-6

1 Tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato, taorian'ny nivoahan'ny zanak'Israely tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Salomona tamin'Israely, tamin'ny volana ziva, izay volana faharoa, no nanorina ny tranon'ny Tompo izy.

2 Ary ny trano nataon'i Salomona ho an'ny Tompo dia enimpolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny hahavony.

3 Ny trano heva eo anoloan'ny tempoly amin'ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, manaraka ny sakantrano, ary folo hakiho ny sakany manoloana ny trano. 4 Makarakara tsy mivoha no nataon'ny mpanjaka varavaran-kelin'ny trano. 5 Manolotra ny rindrin-trano, dia nasiany rihana manodidina ny rindrin-trano, manodidina ny Fitoerana masina, sy ny Fitoerana masina indrindra, nasiany efitrefitra ny lafin-trano manodidina. 6 Ny rihana ambany dia dimy hakiho ny sakany, ny antenantenany enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelo fito hakiho ny sakany, fa namelana hatrany ny rindrin-trano amin'ny manodidina eo ivelany, mba tsy hitsatohan'ny sakamandimby amin'ny rindrin-trano. 7 Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin'ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantànana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin'ny nandrafetana azy. 8 Tao amin'ny ilany ankavanan'ny trano no fidirana mankao amin'ny rihana eo antenantenany, ary tohatra miolikolika no iakarana ho ao amin'ny rihana antenantenany, ary avy eo amin'ny antenantenany kosa indray ho any amin'ny fahatelo. 9 Nanao ny trano izy dia nahavita azy, ary rairainy sy hazo fisaka sedera no natafony ny trano. 10 Ary nataony ny rihana manolotra ny trano manontolo izay nisy dimy hakiho ny hahavony, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin'ny trano.

11 Dia niteny tamin'i Salomona Iaveh ka nanao hoe:

12 Ity trano ataonao ity... raha mandeha araka ny lalàko hianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ka mampifanaraka ny fitondran-tenanao amin'izany, dia ho tanteraka aminao ny teniko izay nolazaiko tamin'i Davida rainao; 13 honina eo amin'ny zanak'Israely aho, ary tsy hahafoy an'Israely vahoakako. 14 Nanorina ny trano Salomona dia nahavita azy.

15 Nopetahany hazo fisaka sedera ny ati-rindrin-trano, hatramin'ny tokotanin-trano ka hatramin'ny valin-drihana, vitany peta-drindrina avokoa ny ao anatiny, ary ny tokotanin-trano norakofany tamin'ny hazo fisaka sipresa. 16 Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin'ny fara rindrina hatrany amin'ny tany ka hatrany amin'ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho fitoerana masina, fitoerana masina indrindra. 17 Ny trano, izany hoe, ny tempoly teo anoloana, dia nisy efapolo hahiko. 18 Ny hazo sedera tamin'ny ati-trano, dia voasokitra vita sarim-boatango sy voninkazo mivelatra. Sedera avokoa izy manontolo fa ny vato tsy nisy hita akory. 19 Ny hametrahana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no nanamboarany ny fitoerana masina, tao anatin'ny trano, tarý anatiny indrindra.

20 Ny atin'ny fitoerana masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny hahavony. 21 Nopetahan'i Salomona volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny otely. Nopetahan'i Salomona volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan'ny fitoerana masina, izay norakofany volamena koa. 22 Ka toy izany no nametahany volamena avokoa ny trano manontolo, dia ny trano manontolo, ary ny otely teo anoloan'ny fitoerana masina nopetahany volamena. 23 Kerobima roa vita tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, no nataony tao anatin'ny fitoerana masina, folo hakiho avy no hahavony.

24 Dimy hakiho avy ny elatra iray amin'ny kerobima, ary dimy hakiho ny elatra iray amin'ny kerobima, ka folo hakiho izany, hatramin'ny tendron'ny elany iray ka hatramin'ny tendron'ny elany iray ankilany. 25 Ny kerobima iray koa folo hakiho, fa mitovy habe sy mitovy tarehy ny kerobima roa; 26 folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary toy izany koa ny kerobima iray. 27 Mivelatr'elatra no nametrahan'i Salomona ireo kerobima ireo, tao afovoan'ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin'ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin'ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan'ny trano, 28 ary nopetahany volamena ny kerobima. 29 Ny rindrin-trano rehetra manodidina na ny atiny na ny ivelany nasainy nosokirina nasiana sarin-kerobima mivohitra sy foto-drofia amam-boninkazo mivelatra avokoa.

30 Ny ngorodon-trano nopetahany volamena na ao anatiny na eo ivelany. 31 Ny varavaran'ny fitoerana masina nasiany lela varavarana vita tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, ary feno ny tolany sy ny momba azy ny ampahadimin'ny rindrina nisy azy; 32 ka ny lela varavarana kopa-droa natao tamin'ny hazo oliva maniry ho azy, nasainy nisokirana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra, ary nopetahany volamena, nataony mahazo ny kerobima sy ny rofia ny volamena. 33 Toy izany koa ny varavaran'ny tempoly dia hazo oliva maniry ho azy no nanaovany ny tolany, izay nahafeno ny ampahefatry ny rindrina nisy azy, 34 ary hazo sipresa no nanaovany ny kopa-droa; ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mivalona, ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mikopaka. 35 Samy nosokirina nasiana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra avy ireo, ary nopetahana volamena mifanarakaraka amin'ny sorany. 36 Vato voapaika telo andàlana, sy sakamandimby sedera iray andàlana no nataony kianja anatiny.

37 Tamin'ny taona fahefatra, volana ziva, no nandatsahana ny fototry ny tranon'ny Tompo,

38 ary tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin'ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin'ny fito taona no nanaovan'i Salomona azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0369