Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-7

1 Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Salomona ny tranony, dia vitany izy manontolo.

2 Nanao ilay trano Alan'i Libàna izy, ka zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny hahavony: andry sedera efatra andàlana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin'ny andry.

3 Hazo sedera no natafony ny trano tambonin'ny efi-trano izay ao ambonin'ny andry, dimy amby efapolo ny efi-trano fa dimy ambin'ny folo isan'andàlana izy. 4 Telo andàlana ny efi-trano; intelo mifanandrify koa ny varavarankely. 5 Hazo fisaka efajoro avokoa no nanaovana ny varavarana rehetra sy ny tolana rehetra ary nifanandrify intelo ny varavarankely. 6 Nanao ny trano heva misy andriny izy: dimampolo hakiho ny lavany, telopolo hakiho ny sakany, ary teo anoloan'io koa nasiany trano heva, nisy andriny sy ambaratonga teo anoloan'ireo. 7 Nanao ny trano hevan'ny seza fiandrianana koa izy, izay nanaovany fitsarana, dia ny trano hevan'ny fitsarana, dia nopetahany hazo sedera hatramin'ny tokotany ka hatramin'ny valin-drihana. 8 Ny trano nitoerany dia nataony torak'izany koa, tao amin'ny kianja anankiray manarakaraka ny trano heva, ary nanao trano mitovy amin'io trano heva io koa izy, ho an'ny zanakavavin'i Faraona izay nampakarin'i Salomona ho vady.

9 Ny nandrafetana izany rehetra izany, dia vato be vidy avokoa, voapaika ara-marika, voatsofa tamin'ny tsofa, na atiny na ivelany, hatratý am-potony ka hatrany amin'ny koronosy, ary teo ivelany koa hatrany amin'ny tokotany lehibe.

10 Ny fototra koa natao tamin'ny vato be vidy, vato lehibe, vato folo hakiho sy valo hakiho. 11 Teo ambony dia nisy vato be vidy koa voapaika ara-marika, ary hazo sedera. 12 Amin'ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andàlana sy sakamandimby sedera iray andàlana tahaka ny kianja eo anatin'ny tranon'ny Tompo, sy tahaka ny trano hevan'ny trano. 13 Naniraka haka an'i Hirama avy any Tira Salomona.

14 Zanaky ny vehivavy mpitondratena anankiray amin'ny fokon'i Neftalì izy io, fa ny rainy no Tiriana, mpanefy varahina. Feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy mba hanao ny asa isan-karazany rehetra momba ny varahina. Dia tonga tao amin'i Salomona mpanjaka izy, ka nahavita ny asany rehetra. 15 Nanao ny andry varahina roa izy, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary kofehy roa ambin'ny folo hakiho no maharefy ny habenin'ny andry iray hafa manodidina azy.

16 Nanao koronosy varahina anidina roa izy teo an-tampon'ireo andry; dimy hakiho ny hahavon'ny koronosy iray, ary dimy hakiho ny hahavon'ny koronosy hafa. 17 Nasiany makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo teo amin'ny koronosy izay teo ambonin'ny tampon'ny andry, ka nasiany fito ny koronosy iray, ary fito ny koronosy hafa. 18 Nasiany voan'ampongabendanitra roa andàlana manodidina ny iray amin'ny harato makarakara, hanarona ny koronosy teo an-tampon'ny andry anankiray, dia nataony toy izany koa ny koronosy anankiray. 19 Nataony mitarehim-boninkazo lisy, efatra hakiho ny hahavony, ny koronosy ao an-tampon'ny andry teo amin'ny trano heva. 20 Ny koronosy nataingina eo ambonin'ny andry roa dia voahodidina voan'ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan'ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan'ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray. 21 Natsangany ny andry tamin'ny trano hevan'ny tempoly, ka natsangany ny andry teo an-kavanana, ka nataony hoe Jakina; dia natsangany ny andry teo an-kavia, ka nataony hoe Booza. 22 Teo an-tampon'ny andry dia nisy voan-javatra mitarehim-boninkazo lisy. Toy izany no nahavitan'ny asa momba ireo andry ireo. 23 Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin'ny molony iray ka hatramin'ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho no hahavony, kofehy telopolo hakiho no naharefy manodidina azy.

24 Nisy voatango nanodidina azy tambanin'ny molony, folo no tamin'ny iray hakiho, ary roa andàlana izy no nanodidina ny ranomasina manontolo; indray natao anidina taminy ny voatango, ka iray tena taminy. 25 Omby roa ambin'ny folo no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin'izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin'ny vatany dia tao am-povoany. 26 Vody voampelatànana no hateviny, sahala amin'ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin'ny lisy ny molony: rano roa arivo bata no laniny. 27 Nanao ny tongotra varahina folo izy, efatra hakiho avy ny halavany, efatra hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.

28 Toy izao no nanaovana ireo tongotra ireo: Natao am-panoa izy, ary niditra teo anelanelan'ny batana ny panoa. 29 Ka nisy liona sy ombalahy ary kerobima tambonin'ny panoa izay tafiditra anelanelan'ny batana; nisy faladiany tambonin'ny batana, ary nisy tanjomiolaka nihantona tambanin'ny liona sy ombalahy ary kerobima. 30 Isan-tongony iray nisy kodiarana varahina efatra sy lahin-tangerina varahina avy; ka samy nisy faladiany ny tongony, ary ireo faladiany anidina ireo no tambanin'ny fitoeran-drano sy any an-koatry ny tanjomiolaka. 31 Tamin'ny tampon'ny tongony sy ao anatiny, nisy ny loaka fandraisana ny fitoeran-drano, iray hakiho no halaliny; boribory izany loaka izany, mitarehina fototr'andry, ary iray hakiho sy sasany ny habeny; ary nisy zavatra voasokitra tamin'izany loaka izany; ny panoa dia efa-joro fa tsy boribory. 32 Tambanin'ny panoa ny kodiarana efatra ary niraikitra tamin'ny tongotra ny lahin-tangerin'ny kodiarana, iray hakiho sy sasany avy no hahavon'ny kodiarana. 33 Natao toy ny kodiaran'ny kalesy ihany ny kodiarana, ary anidina avokoa ny lahin-tangeriny, ny hazon-kodiarany, ny tanan-kodiarany, ary ny foibeny. 34 Nisy faladiany efatra tamin'ny zorony efatry ny tongotra, niray tena tamin'ny tongotra ireo faladia ireo. 35 Ny tampon-dohan'ny tongotra dia nisy fehim-barika, ka antsasa-kakiho ny hahavony, ary tao an-tampon'ny tongotra, dia iray tena ihany ny fitehenany sy ny panoany. 36 Ny tavan'ny fitehenany sy ny panoany, dia nisokirany kerobima sy liona ary rofia araka ny halalahan'ny fitoerana voatokana ho azy avy, sady nasiana tanjomiolaka manodidina. 37 Toy izany no nanaovany ny tongotra folo, indray natao anidina, iray habe, iray tarehy avokoa izany rehetra izany. 38 Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo bata avy, efatra hakiho ny haben'ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin'ny tongotra anankiray tamin'ny iray amin'ny tongotra folo.

39 Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavanana, ny dimy kosa nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavia; ary ny ranomasina nataony teo amin'ny ilan'ny trano an-kavanana, amin'ny atsinanana somary atsimo. 40 Nanao ny vilany sy ny sotron'afo ary ny kapoaka Hirama. Ary vitan'i Hirama ny asa rehetra nataony ho an'i Salomona mpanjaka, tao amin'ny tranon' Iaveh:

41 ny andry roa, ny koronosy aman-tsikalany boribory roa teny an-tampon'ny andry, ny harato roa manarona ny tsikalana boribory roa amin'ny koronosy eo an-tampon'ny andry, 42 ny voan'ampongabendanitra efa-jato, tamin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andàlana isan-karato, nanarona ny tsikalany boribory roa tamin'ny koronosy teny an-tampon'ny andry. 43 Ny tongotra folo sy ny fitoeran-drano folo tambonin'ireo tongotra, 44 ny ranomasina sy ny omby roa ambin'ny folo, teo ambanin'ny ranomasina, 45 ny tavy sy ny sotron'afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon'i Hirama ho an'i Salomona ireo, tao amin'ny tranon'ny Tompo. 46 Tao amin'ny tany lemak'i Jordany, amin'ny tany be tanimanga anelanelan'i Sokota sy Sartana no nasain'ny mpanjaka nanaovana anidina azy. 47 Navelan'i Salomona tamin'izao, fa tsy nolanjaina ireo fanaka rehetra ireo, satria be loatra ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan'ny varahina. 48 Nataon'i Salomona koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon'ny Tompo: ny otely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,

49 ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia, teo anoloan'ny orakla, mbamin'ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena, 50 ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin'ny lahin-tsavily amin'ny varavaran'ny efi-trano anatiny, izany hoe: ny fitoerana masina indrindra, sy amin'ny varavaran'ny trano, izany hoe ny fitoerana masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1091