Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-9

1 Nony vitan'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra sitrak'i Salomona sy izay niriny,

2 dia niseho fanindroany taminy indray Iaveh, toy ny nisehoany taminy tany Gabaona. 3 Ary izao no nolazain'ny Tompo taminy: Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko. 4 Ary hianao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, amin'ny fahatsoran'ny fonao sy amim-pahitsiampo manaraka izay nandidiako anao, raha mitandrina ny didy amam-pitsipiko hianao, 5 dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakanao amin'Israely, araka ny efa nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho lany taranaka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hianao. 6 Fa raha mivily miala amiko kosa hianao na ny tenanareo na ny zanakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalàko izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany, 7 dia hofongorako eo amin'ny tany nomeko azy Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an'ny anarako, hanjary fandatsa sy ambentin-tenin'ny firenena rehetra Israely; 8 ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisiran'ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon'ny Tompo toy izao ity tany ity sy io trano io? 9 Ary ny olona hamaly hanao hoe: Satria izy ireo nandao an'ny Tompo Andriamaniny, izay namoaka ny razany avy tany amin'ny tany Ejipta, ka andriamani-kafa no nifikirany sy niankohofany teo anatrehany ary notompoiny, ka izany no nampidiran'ny Tompo izao loza rehetra izao tamin'izy ireo. 10 Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin'i Salomona ny trano roa, dia ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka; Hirama, mpanjakan'i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin'ny volamena ho an'i Salomona araka izay nilainy,

11 ka nomen'ny mpanjaka Salomona tanàna roapolo teo amin'ny tany Galilea Hirama. 12 Dia niala tany Tira Hirama hizaha ny tanàna nomen'i Salomona azy, ary tsy tiany ireny, 13 ka hoy izy: Edrey, itony tanàna mba nomenao ahy, ry rahalahy! Ary nataony hoe tany Kabola no anaran'ireny mandrak'androany. 14 Efa nampanatitra talenta volamena roapolo amby zato ho an'i Salomona Hirama. 15 Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain'i Salomona, hanaovana ny tranon'ny Tompo sy ny tranony, Melao sy ny mandan'i Jerosalema, Hasera, Magedao, ary Gazera.

16 Faraona mpanjakan'i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an'i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeana nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an'ilay zanany vadin'i Salomona. 17 Ary izao no naorin'i Salomona: Gazera, Bet-Horona ambany, 18 Baalata, Tadmora any amin'ny tany efitra, 19 ny tanàna rehetra natao fitehirizana, ka an'i Salomona, ny tanàna ho an'ny kalesy, ny tanàna ho an'ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin'izay rehetra tian'i Salomona naorina tany Jerosalema sy Libàna ary tany amin'ny tany rehetra nanapahany. 20 Ary ny vahoaka sisa rehetra tamin'ny Amoreana, Heteana, Ferezeana, Heveana, mbamin'ny Jeboseana, izay tsy isan'ny zanak'Israely, 21 dia ny taranaka nandimby azy ireo tamin'ny tany, izay tsy azon'ny zanak'Israely natao anatema, no nalain'i Salomona ho andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak'androany. 22 Fa tsy mba nisy nataon'i Salomona ho andevo ny zanak'Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahiny, komandin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly. 23 Dimampolo amby diman-jato lahy no lehiben'ny komadaoron'ny mpiasan'i Salomona. 24 Ary niakatra ny zanakavavin'i Faraona avy any an-tanànan'i Davida, ho ao amin'ny tranony, izay nataon'i Salomona ho azy, ka tamin'izay izy no nanorina an'i Melao.

25 Intelo isan-taona no nanateran'i Salomona sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin'ny otely nataony ho an'ny Tompo, sady nandoro zava-manitra teo ambonin'ny otely izay eo anatrehan'ny Tompo koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano. 26 Ary Salomona mpanjaka nanao sambo maro tao Asiongabera, akaikin'i Ailata amoron'ny ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.

27 Ary nalefan'i Hirama tamin'izany sambo izany ny mpanompony, izay matilo mahay ranomasina, hiaraka amin'ny mpanompon'i Salomona. 28 Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena roapolo sy efa-jato tany, dia nentiny tamin'i Salomona mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0503