Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko voalohany

1 Piera, Apostolin'i Jesoa-Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Ponto, Galatia, Kapadosia, Asia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,

2 araka ny fahalalan'Andriamanitra Ray rahateo, tamin'ny fanamasinan'ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin'ny famafazana ny ran'i Jesoa-Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie hianareo! 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben'ny famindram-pony, noho ny fitsanganan'i Jesoa-Kristy tamin'ny maty, ho amin'ny fanantenana velona,

4 hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, 5 dia anareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin'ny andro farany. 6 Ny fiheverana an'izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin'ny fitsapana samihafa vetivety ihany hianareo,

7 ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin'ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa-Kristy. 8 Tia azy hianareo, na dia mbola tsy nahita azy na oviana na oviana aza; mino azy hianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina azy; izany no iontanan'ny fonareo amin'ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra, 9 sady matoky hianareo fa hahazo ny antenain'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. 10 Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin'ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.

11 Nohadihadin'izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran'ny Fanahin'ny Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjo ny Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany. 12 Ary nambara tamin'izy ireo fa izany no nomena horaharahainy dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin'ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin'ny Anjely hojerena. 13 Koa amin'izany, sikino ny valaham-panahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny hisehoan'i Jesoa-Kristy no halehan'ny fanantenanareo rehetra.

14 Aoka ho zanaka manaiky hianareo, ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin'ny andron'ny tsy fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin'ny fitondran-tenanareo rehetra, 16 araky ny voasoratra hoe: Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. 17 Ary raha ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana hianareo, mandritra ny andron'ny fivahinianareo ety 18 satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin'ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, 19 fa ny ra sarobidin'ny Kristy, ilay zanak'ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, 20 dia ilay talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin'izao andro farany izao no vao naseho, noho ny aminareo. 21 Tamin'ny alalany no nahazoanareo finoana an'Andriamanitra, izay nanangana azy tamin'ny maty, sy nanome voninahitra azy, ka zary fanantenana an'Andriamanitra koa ny finoanareo. 22 Noho hianareo efa nandio ny fonareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin'izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo tokoa;

23 fa efa nateraka indray hianareo, tsy tamin'ny voa mety lò, fa amin'ny voa tsy mety lò, dia ny tenin'Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay. 24 Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin'ny ahitra: nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny; 25 fa ny tenin'Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorina taminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.121