Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-2

1 Koa esory avokoa ny faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana, ary ny fanaratsiana rehetra;

2 maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin'ny famonjena, 3 rahefa nandramanareo fa mamy ny Tompo. 4 Manatòna azy, izay vato velona nolavin'ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra kosa; 5 ary hianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan'Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. 6 Fa izany no ilazan'ny Soratra Masina hoe: Indro aho mametraka vato fehizoro ao Siona, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay. 7 Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an'izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, 8 ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina; fa tafintohina amin'ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy. 9 Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny aizina, ho amin'ny fahazavany mahagaga: 10 dia hianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan'izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny. 11 Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian'ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.

12 Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan'ny jentily, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andron'ny famangiana, rahefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin'ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza. 13 Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin'ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy,

14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamay ny manao ratsy, sy hidera ny manao soa izy. 15 Fa izany no sitra-pon'Andriamanitra, mba hanampenanareo ny vavan'ny adala sy tsy mahalala anareo, amin'ny asa soa ataonareo. 16 Olona afaka hianareo, nefa aoka ny fahafahana tsy hoenti-manarona ny ratsy, fa manaova toy ny mpanompon'Andriamanitra. 17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ny rahalahy, matahora an'Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka. 18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo, amin-tahotra sy fanajana lehibe, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

19 Fa zavatra ankasitrahan'Andriamanitra ny fiaretan'ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny, noho ny fitiavana azy. 20 Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy hianareo ka miaritra ny kapoka valin'izany? Fa raha manao soa hianareo no ampahorina, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahan'Andriamanitra. 21 Sady izany koa no niantsoana anareo, satria ny Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: 22 dia izy, ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively; 23 izy ilay notevatevaina, nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin'ny mpitsara azy tsy an-drariny; 24 izy ilay nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin'ny ota, fa ho velona kosa amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. 25 Fa efa toy ny ondry nania hianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin'ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1058