Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-3

1 Toy izany koa hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vadiny na dia tsy amin'ny fitorian-teny aza,

2 rahefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana. 3 Aoka ny firavakareo tsy ho zavatsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, 4 fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason'Andriamanitra. 5 Fa toy izao no firavaky ny vehivavy masina fahiny izay nanantena an'Andriamanitra sy nanaiky ny vadiny; 6 tahaka an'i Sarà izay nanaiky an'i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany hianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo. 7 Hianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin'ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana hianareo, mba tsy hisy hanampontsapona ny fivavahanareo.

8 Farany, miraisa saina hianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.

9 Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin'izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana. 10 Fa izay te-ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin'ny ratsy, sy ny molony tsy hiteny fitaka; 11 aoka hiala amin'ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa eo amin'ny olo-marina ny mason'ny Tompo, ary ho amin'ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin'ny mpanao ratsy kosa ny tavan'ny Tompo. 13 Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa hianareo?

14 Fa na ampahorina noho ny fahamarinana aza hianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin'izany akory. 15 Ny Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an'izay rehetra manontany anareo ny amin'ny antony fanantenana izay ao anatinareo. 16 Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin'izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an'ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin'ny Kristy. 17 Fa aleo amin'ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitra-pon'Andriamanitra, toy izay amin'ny fanaovan-dratsy. 18 Na ny Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia izy marina ho an'ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo izy, fa novelomina tamin'ny fanahy.

19 Ary tamin'io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, 20 dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin'ny rano. 21 Ary amin'ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin'ny batemy izay tenan'io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton'ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin'Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan'i Jesoa-Kristy tamin'ny maty, 22 dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra, eken'ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1319