Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-4

1 Koa noho ny Kristy efa nijaly tamin'ny nofo ho antsika àry, dia raiso ho fidiana izao hevitra izao: izay nijaly tamin'ny nofo dia nitsahatra tamin'ny ota,

2 mba tsy handaniany ny andro sisa hiainanay amin'ny nofo, araka ny danin'ny kibon'olombelona intsony, fa araka ny sitra-pon'Andriamanitra. 3 Ampy ny nanarahanareo ny fanaon'ny jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin'ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra. 4 Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin'ny ratsy hianareo, ka manozona no ataony. 5 Nefa hampamoahan'ilay vonon-kitsara ny velona sy ny maty izy. 6 Fa izany no nitoriana ny Evanjely tamin'ny maty koa, dia mba ho velona araka an'Andriamanitra izy amin'ny fanahy, rahefa notsaraina araka ny fomban'ny olona amin'ny nofo. 7 Ary efa akaiky ny faran'ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.

8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. 9 Mifampiantranoa, ka aza asiana monjomonjo. 10 Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen'Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. 11 Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin'Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban'Andriamanitra fitahiana; mba hankalaza an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, izay Tompon'ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amena. 12 Ry malala, aza gaga amin'izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;

13 fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana koa amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny 14 Sambatra hianareo raha tevatevaina noho ny anaran'ny Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin'ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin'Andriamanitra. 15 Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan'olona; 16 fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin'izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an'Andriamanitra aza, noho izany anarana izany. 17 Fa indro tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana amin'ny fianakavian'Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy mino ny Evanjelin'Andriamanitra? 18 Ary raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjò ny tsy mivavaka sy ny mpanota? 19 Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitra-pon'Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin'ny fanaovan-tsoa, ho azy Mpahary tsy mivadika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.205