Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-10

1 Nalain'i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin'ny lohan'i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: Moa tsy nohosoran'ny Tompo ho mpanapaka amin'ny lovany va hianao?

2 Rahefa tafasaraka amiko hianao anio, dia hahita olona roa lahy, eo akaikin'ny fasan-dRasely amin'ny faritanin'i Benjamina, any Selsaky, hilaza aminao hoe: Ny ampondra notadiavinao efa hita ka tsy heverin-drainao intsony ny momba ny ampondravavy fa ny aminareo indray no ahiany sy ataony hoe: Inona no tsy maintsy hataoko ny amin'ity zanako ity? 3 Avy eo hianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga ao amin'ny aokan'i Tabora, ka hotsenain'olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak'osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra; 4 rahefa avy miarahaba anao izy ireo, dia hanome anao mofo roa, ka horaisinao avy amin'ny tànany izany. 5 Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn'Andriamanitra hianao, izay misy miaramila Filistina mpiambina. Rahefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin'ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin'ny fitoerana avo, ialohan'ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany. 6 Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny Tompo dia hiara-maminany amin'ireo hianao, ka ho voaova ho olom-baovao. 7 Rahefa tanteraka ho anao ireo famantarana ireo, dia ataovy araka izay sendra eo anoloanao fa momba anao Andriamanitra. 8 Ary midìna alohako any Galgalà, ary indro fa hidina aho hanatona anao, mba hanatitra sorona dorana mandra-pahatongako any aminao, dia holazaiko aminao izay tokony hataonao. 9 Vao nihodina nisaraka tamin'i Samoela Saola, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tanteraka androtr'izay ihany ireo famantarana rehetra ireo.

10 Nony tonga tany Gabaà izy, indreto ny mpaminany maro, andiany iray, nifanena taminy, dia nilatsaka taminy ny Fanahin'Andriamanitra ka naminany teo afovoan'ireo izy. 11 Nony hitan'izay rehetra nahalala azy taloha fa niara-naminany tamin'ireo mpaminany koa izy, dia nifampilaza ireo olon-drehetra ireo hoe: Fa naninona ity zanak'i Kisy? Mba isan'ny mpaminany koa va Saola? 12 Niteny ny iray teo amin'ny vahoaka ka nanao hoe: Ary iza moa no rain'izy ireo? Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: Mba isan'ny mpaminany koa va Saola? 13 Nony efa nitsahatra tsy naminany izy, dia nankeo amin'ny fitoerana avo. 14 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saola taminy sy tamin'ity mpanompony: Nankaiza hianareo? Dia hoy ny navalin'i Saola: Nitady ny ampondra izahay, fa nony tsy nahita azy hatraiza hatraiza dia nankany amin'i Samoela.

15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saola: Tantarao amiko izay nambaran'i Samoela taminareo. 16 Dia hoy Saola tamin'ity rahalahin-drainy: Nambarany taminay fa efa hita ny ampondravavy. Fa tsy nolazainy taminy ny momba ny fanjakana nambaran'i Samoela azy. 17 Novorin'i Samoela ho eo anatrehan'ny Tompo any Masfà ny vahoaka,

18 dia hoy izy tamin'ny zanak'Israely: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Izaho no nampiakatra an'Israely avy any Ejipta; izaho no nanafaka anareo tamin'ny tànan'ny Ejipsiana, sy tamin'ny tànan'ireo fanjakana nampahory anareo. 19 Fa hianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin'ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa hianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan'ny Tompo. 20 Dia nasain'i Samoela nanatona ny fokon'Israely rehetra, ka ny fokon'i Benjamina no voafidy.

21 Nampanatoniny isam-pianakaviana indray ny fokon'i Benjamina, ka ny fianakavian'i Metrì no voafidy, ary Saola zanak'i Kisy no voatendry. Dia notadiavina izy nefa tsy hita. 22 Amin'izany dia nanontany an'ny Tompo indray ny olona hoe: Moa mbola misy olona tonga teto va? Hoy ny navalin'ny Tompo: Indro izy miery ao amin'ny entana. 23 Dia nihazakazaka naka azy tao ny olona, ary nitsangana teo afovoan'ny vahoaka izy, dia nanatombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra. 24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va ilay voafidin'ny Tompo, fa tsy misy toa azy eo amin'ny vahoaka rehetra! Dia nihoby ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! 25 Tamin'izay nasehon'i Samoela ny vahoaka ny fahefana hampiasain'ny fanjakana, sady nosoratany tamin'ny boky, izay napetrany teo anatrehan'ny Tompo. Izay vao nampodiny ny vahoaka, samy ho any an-tranony avy.

26 Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin'olona mahery fo, izay nohetsehin'ny Tompo ny fony. Fa ny olon'i Beliala kosa dia nanao hoe: Dia iny ve no hamonjy antsika? Sady naneso azy izy no tsy nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian'i Saola raharaha akory izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871