Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-11

1 Ary Naasy Amonita niakatra dia nitoby teo anoloan'i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin'i Naasy: Manaova fanekem-pihavanana aminay, dia hanompo anao izahay.

2 Fa izao no navalin'i Naasy Amonita azy ireo: Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky hianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an'Israely rehetra. 3 Ka hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin'ny faritanin'Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay. 4 Nankany Gabaàn'i Saola ny iraka, dia nilaza izany zavatra izany mba ho ren'ny vahoaka, ka nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ary nitomany. 5 Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny Saola tamin'izay, ka hoy Saola hoe: Maninona ity vahoaka no mitomany? Dia nambaran'ny olona azy ny voalazan'ny olona avy any Jabesy. 6 Vao nandre izany teny izany Saola, dia nilatsaka taminy ny Fanahin'ny Tompo ka nirehitra ny hatezerany. 7 Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin'ny faritanin'Israely rehetra nataony hoe: Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an'i Saola sy Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny. Azon'ny tahotra an'ny Tompo ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra. 8 Notsapain'i Saola tamin'ny matso ny toetrany tany Bezeka, ka telo hetsy no isan'ny zanak'Israely, ary telo alina ny lehilahy amin'i Jodà. 9 Dia hoy izy tamin'iretsy iraka tonga: Lazao amin'ny olona an'i Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena hianareo. Nambaran'ny iraka tamin'ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo. 10 Ary hoy ny olona tany Jabesy tamin'ny Amonita: Rahampitso hitolo-tena hanaiky anareo izahay dia hataonareo aminay izay tianareo. 11 Nony ampitso, nozarain'i Saola ho telo toko ny vahoaka dia nankany an-tobin'ny Amonita, tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ka namely azy ireo mandra-pahafanàn'ny andro. Nieli-patrana izay afa-nitsoaka ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza. 12 Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Zovy moa no nilaza hoe: Dia Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty.

13 Fa hoy Saola: Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen'ny Tompo an'Israely. 14 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika ho any Galgalà, hanavao ny fanjakana any. 15 Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an'i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan'ny Tompo, tany Galgalà, ary teo no nanateran'izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan'ny Tompo; ary teo Saola sy ny lehilahy rehetra amin'Israely dia nanao firobirobiana fatratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371