Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-12

1 Hoy Samoela tamin'Israely rehetra: Izao àry efa nihaino ny feonareo aho, tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko, ary efa nanangana mpanjaka aminareo.

2 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka handeha alohanareo. Izaho ity efa antitra sy fotsy volo, ary ny zanakao, indreo eo aminareo. Hatry ny fony mbola tanora aho no nandeha teo alohanareo ka mandrak'ankehitriny; 3 ary inty aho, ataovy tenin'ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan'ny Tompo sy ny voahosony: ombin'iza no mba nalaiko ary ampondran'iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriako? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany. 4 Dia hoy ny navalin'izy ireo: Tsy nanaovanao tsy an-drariny izahay, na nampahory anay, na nandray inona na inona teo an-tànan'olona. 5 Ary hoy izy taminy: Iaveh no vavolombelona anio, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tànako hianareo. Hoy ny vahoaka namaly azy: Vavolombelona izy. 6 Dia hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Eny, vavolombelona Iaveh izay nanangana an'i Moizy sy Aarona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta. 7 Koa ankehitriny avia eto anatrehako hianareo, fa tiako ny miantso anareo amin'ny fitsarana eto anatrehan'ny Tompo ny amin'ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo. 8 Taorian'ny nahatongavan'i Jakoba tany Ejipta, dia nitaraina tamin'ny Tompo ny razanareo, ka naniraka an'i Moizy sy Aarona Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy amin'ity tany ity. 9 Nanadino an'ny Tompo Andriamaniny anefa izy ireo, ka natolony ho eo an-tànan'i Sisarà, filohan'ny tafik'i Hasora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina, ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, izay niady taminy. 10 Dia nitaraina tamin'ny Tompo izy ireo nanao hoe: Nanota izahay, fa nandao an'ny Tompo sy nanompo ny Baala sy ny Astarte! Fa izao dia afaho amin'ny tànan'ny fahavalonay izahay ary hanompo anao! 11 Dia nirahin'ny Tompo Jerobaala, Badana, Jefte, ary Samoela, ka nanafaka anareo tamin'ny tànan'ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry fahizay, teo amin'ny fonenanareo hianareo. 12 Ary nony nahita an'i Naasy mpanjakan'ny taranak'i Amona tamy hiady aminareo anefa hianareo, dia nanao tamiko hoe: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay! Kanefa Iaveh no mpanjakanareo fahizay. 13 Koa indro àry ny mpanjaka nofidinareo sy nangatahinareo; indro fa misy mpanjaka natsangan'ny Tompo aminareo. 14 Raha matahotra an'ny Tompo hianareo, raha manompo azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny didin'ny Tompo ary raha samy manaraka an'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo... 15 Fa raha tsy mankatò ny tenin'ny Tompo kosa hianareo ary mandika ny didin'ny Tompo dia hamely anareo ny tànan'ny Tompo toy ny efa namelezany ny razanareo. 16 Ary ankehitriny andraso kely koa ka jereo ny zava-dehibe efa hataon'ny Tompo eo imasonareo. 17 Tsy izao va no fijinjana ny varim-bazaha? Hiantso an'ny Tompo aho, ary hahatonga kotrokorana sy ranonorana izy, ary ho fantatrareo amin'izany fa lehibe loatra eo imason'ny Tompo ny ratsy nataonareo tamin'ny nangatahanareo mpanjaka ho anareo. 18 Dia niantso an'ny Tompo Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana Iaveh androtr'izay ihany ka natahotra mafy an'ny Tompo sy an'i Samoela ny vahoaka.

19 Hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mivavaha amin'ny Tompo Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, mba tsy ho faty izahay, fa nanampy ny fahotanay rehetra ny hadisoanay nangataka mpanjaka ho anay! 20 Dia hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra. Efa nataonareo tokoa izany ratsy rehetra izany, nefa aza mitsahatra ny manaraka an'ny Tompo, ary manompoa an'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra. 21 Aza mivily sao mankany amin'ny zava-poana izay tsy ahazoan-tsoa na fahafahana akory, satria zava-poana. 22 Fa tsy handao ny olony Iaveh, noho ny anarany lehibe, satria sitrak'Iaveh ny nanao anareo ho olony. 23 Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin'ny Tompo ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny làlana tsara sy mahitsy. 24 Izao ihany, matahora an'ny Tompo ary manompoa azy marina, amin'ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo! 25 Raha mbola mikiry manao ratsy ihany anefa hianareo dia ho levona hianareo sy ny mpanjakanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869