Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-13

1 Ny taonan'i Saola nony tonga mpanjaka izy dia ..., ary roa taona no nanjakany tamin'Israely.

2 Telo alin-dahy no nofantenan'i Saola tamin'Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin'ny tendrombohitr'i Betela ary ny arivo teo amin'i Jonatasy tany Gabaàn'i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.

3 Namely ny miaramilan'ny Filistina izay tao Gabea Jonatasy ka ren'ny Filistina izany. Ary nampitsoka ny trompetra tany amin'ny tany rehetra Saola ka nanao hoe: Aoka handre ny Hebrio. 4 Dia ren'Israely rehetra ny vaovao: Namely ny miaramilan'ny Filistina Saola, ary tonga mahadikidiky ny Filistina aza Israely. Ary nantsoina ho any amin'i Saola any Galgalà ny vahoaka. 5 Dia nivory hiady amin'Israely ny Filistina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan'i Bety Avena izy.

6 Nony hitan'ny lehilahy amin'Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin'ny harambato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano. 7 Nisy Hebrio sasany koa nita an'i Jordany ho any amin'ny tany Gada sy Galaada. Saola izany dia mbola tany Galgalà ary tera-kovitra avokoa ny vahoaka nanaraka azy. 8 Niandry hafitoana izy, araka ny fotoana noferan'i Samoela. Nefa tsy tonga tany Galgalà Samoela, ka nihahaka lavitra an'i Saola ny vahoaka.

9 Hoy Saola tamin'izay: Ento aty amiko ny sorona dorana sy ny fanati-pihavanana. Dia nanatitra ny sorona dorana izy. 10 Nony avy nanatitra ny sorona dorana izy, dia indro tonga Samoela, ka nivoaka hitsena azy Saola mba hiarahaba azy. 11 Ary hoy Samoela: Fa inona ity nataonao? Dia hoy Saola: Nony hitako fa nihahaka lavitra ahy ny vahoaka, hianao tsy tonga tamin'ny fotoana voafetra ary ny Filistina efa tafavory tany Makmasy 12 dia niteny anakampo aho: Hidina hamely ahy aty Galgalà ity ny Filistina nefa aho mbola tsy nanao fifonana tamin'ny Tompo akory. Koa na dia tsy tiako velively aza, dia voatery nanatitra ny sorona dorana aho. 13 Hoy Samoela tamin'i Saola: Fanaon'ny adala ny anao tamin'izany, fa tsy nitandrina ny didy nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao hianao. Fa ho nampaharetan'ny Tompo mandrakizay ny fanjakanao amin'Israely. 14 Fa ankehitriny tsy haharitra ny fanjakanao. Fa efa nitady lehilahy araka ny fony ho azy Iaveh, ary Iaveh efa nanendry azy ho mpanjakan'ny olony; satria hianao tsy nitandrina izay nandidian'ny Tompo anao. 15 Dia niainga Samoela niakatra avy any Galgalà ho any Gabaàn'i Benjamina. Ary Saola nampanao matso ny olona teo aminy; sahabo ho enin-jato lahy ny isany. 16 Saola sy Jonatasy zanany mbamin'ny vahoaka nomba azy, nitoby tao Gabaàn'i Benjamina, ary ny Filistina kosa nitoby tao Makmasy.

17 Ny tafi-pandringanana nivoaka avy teo an-tobin'ny Filistina ka nizara telo toko: ny toko iray nihazo ny làlana mankany Efrà ho any amin'ny tany Soala, 18 ny toko iray nihazo ny làlana mankany Beti-Horona; ary ny toko fahatelo, ny làlana mankany amin'ny faritany eo ambonin'ny lohasaha Seboima amin'ilan'ny efitra. 19 Tsy nisy mpanefy teo amin'ny tanin'Israely rehetra, fa nataon'ny Filistina hoe: Aoka ny Hebrio tsy hahazo manefy sabatra na lefona intsony. 20 Ka smy nidina nankany amin'ny Filistina Israely rehetra hasana ny angadiny, ny angady mibaka roa, ny famaky, ny angadin'omby; 21 hany ka dombo matetika ny lela angady, ny angady mibaka roa, ny angady telo rantsana sy ny famaky, ary tsy voahitsy indray ny fanindronan'omby. 22 Koa noho izany dia indro fa tamin'ny andro hiadina dia tsy nisy lefona na sabatra teo an-tànan'ny vahoaka rehetra nomba an'i Saola sy Jonatasy, fa teo an-tànan'i Saola sy Jonatasy zanany ihany no nisy. 23 Ny andian'ny miaramilan'ny Filistina anankiray nankao amin'ny hadilalan'i Makmasy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112