Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-15

1 Ary hoy Samoela tamin'i Saola: Izaho no nirahin'ny Tompo hanosotra anao ho mpanjaka amin'ny vahoakany, amin'Israely: koa henoy izay lazain'ny Tompo:

2 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Nodinihiko ny nataon'i Amaleka tamin'Israely dia ny nitsnaganany nisakana azy teny an-dàlana fony izy niakatra avy tany Ejipta. 3 Koa ankehitriny, mandehana, asio Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra. 4 Nampandrenesin'i Saola ny vahoaka izany: dia nampanaoviny matso tany Telaima izy ireo, ka roa hetsy ny miaramila an-tongotra nisainy, ary iray alina ny lehilahy amin'i Jodà.

5 Dia nandroso Saola hatrany amin'ny tanànan'i Amaleka ary nametraka otrika tao amin'ny lohasaha. 6 Hoy Saola tamin'ny Kineana: Mandehana mihataka hianareo, midina avy eo afovoan'i Amaleka, fandrao voasaroko miarak'aminy koa hianareo, fa soa no nataonareo tamin'ny zanak'Israely rehetra fony izy nivoaka avy tany Ejipta. Dia nihataka niala teo afovoan'i Amaleka ny Kineana. 7 Noresen'i Saola Amaleka, hatrany Hevilà ka hatrany Sora eo atsinanan'i Ejipta. 8 Agaga mpanjakan'i Amaleka nataony sambo-belona, ary ny vahoaka rehetra nataony anatema tamin'ny lelan-tsabatra. 9 Tsy novonoin'i Saola sy ny vahoaka anefa Agaga, mbamin'ny tsara indrindra tamin'ny ondry, ny omby, ny biby avy amin'ny terany fanindroany, ny zanak'ondry mbamin'izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema. 10 Tonga tamin'i Samoela ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

11 Manenina aho tamin'ny nananganako an'i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko. Dia nalahelo Samoela ary nitaraina tamin'ny Tompo izy nandritra iny alina iny. 12 Nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saola, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Tany Karmela Saola nanangana tsangam-bato ho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà. 13 Dia nankany amin'i Saola Samoela, ka hoy Saola taminy: Hotahin'ny Tompo anie hianao! Efa tanteraka ny tenin'ny Tompo. 14 Ary hoy Samoela: Ka inona izany fibarareok'ondry ren'ny sofiko sy fimamàn'ny omby henoko izany? 15 Dia hoy ny navalin'i Saola: Nentin'ny olona avy any amin'ny Amalesita ireny; fa navelan'ny olona hatao sorona ho an'ny Tompo Andriamanitrao ny tsara indrindra amin'ny ondry sy ny omby, ary ny sisa nataonay anatema. 16 Ka hoy Samoela tamin'i Saola: Aoka izay, fa hambarako anao izao izay nolazain'ny Tompo tamiko halina. Dia hoy Saola taminy: Lazao. 17 Hoy Samoela: Moa tsy tonga filohan'ny fokon'Israely hianao fony hianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran'ny Tompo hianao ho mpanjaka amin'Israely? 18 Nirahin'ny Tompo handeha amin'ny làlana hianao nataony hoe: Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita, ary miadia aminy, mandra-pandringana azy. 19 Nahoana ity hianao no tsy nihaino ny feon'ny Tompo fa nanao hitsin-dàlana tamin'ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo? 20 Dia hoy Saola tamin'i Samoela: Eny tokoa, nihaino ny feon'ny Tompo aho ary nandeha tamin'ny làlana nanirahan'ny Tompo ahy. Nentiko Agaga mpanjakan'i Amaleka ary Amaleka nataoko anatema. 21 Ary ny vahoaka naka tamin'ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin'ny Tompo Andriamanitrao, any Galgalà. 22 Fa hoy Samoela: Moa sitrak'Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin'ny Tompo va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran'ondralahy. 23 Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho hianao nanary ny tenin'ny Tompo, dia mba ariany kosa hianao tsy ho mpanjaka intsony.

24 Tamin'izay Saola no niteny tamin'i Samoela hoe: Nanota aho, fa nivadika ny didin'ny Tompo sy ny teninao: natahotra ny vahoaka aho ary nihaino ny teniny.

25 Koa ankehitriny, masìna hianao, avelao ny heloko, andeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin'ny Tompo aho. 26 Fa hoy Samoela tamin'i Saola: Izaho tsy hiara-miverina aminao fa efa nanary ny tenin'ny Tompo hianao, ka efa nariany tsy ho mpanjaka amin'Israely intsony koa. 27 Nony nihodina ndeha handeha Samoela dia nosamborin'i Saola ny sisin'ny kapaotiny ka triatra. 28 Dia hoy Samoela taminy: Efa notriarin'ny Tompo ho afaka aminao androany ny fanjakan'Israely, ary efa nomeny ny namana akaikinao izay tsara noho hianao. 29 Tsy mba mandainga ilay famirapiratan'Israely ary tsy mba manenina izy satria tsy olombelona izy ka hoe hanenina. 30 Hoy Saola: Nanota aho! Kanefa mihanta aminao aho ankehitriny, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholon'ny vahoaka, eo anatrehan'Israely aho, ka handeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin'ny Tompo Andriamanitrao aho. 31 Dia niverina nanaraka an'i Saola Samoela; ary nivavaka tamin'ny Tompo Saola.

32 Ka hoy Samoela: Ento mankaty amiko Agaga mpanjakan'i Amaleka. Miramirana endrika Agaga anatona azy, fa hoy Agaga: Lasa tokoa ny ngidin'ny fahafatesana! 33 Hoy Samoela: Toy ny nampamoizan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no hamoizan'ny reninao zanaka kosa eo amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'ny Tompo tany Galgalà Agaga. 34 Ary Samoela nankany Ramà, fa Saola niakatra nankany amin'ny tranony any Gabaàn'i Saola.

35 Tsy nahita an'i Saola intsony Samoela mandra-pahafatiny. Nitomany an'i Saola Samoela satria nanenina Iaveh tamin'ny nananganany azy ho mpanjaka amin'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2587