Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-16

1 Ka hoy Iaveh tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hitomanianao an'i Saola, kanefa aho manary azy tsy ho mpanjaka amin'Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho amin'Isaï any Betleema hianao, satria amin'ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako.

2 Dia hoy Samoela: Hataoko ahoana no fankàny? Ho ren'i Saola izany dia hataony maty aho? Ary hoy Iaveh: Mitondrà vantotr'ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an'ny Tompo no nankanesako taty. 3 Ary asao Isaï amin'ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao. 4 Dia nataon'i Samoela izay nandidian'ny Tompo azy, ka nankany Betleema izy. Tonga nitsena azy ny loholon'ny tanàna tamin'ahiahy ka nanao hoe: Hampiadana va no nahatongavanao? 5 Dia hoy Samoela: Hampiadana! Tonga hanatitra sorona ho an'ny Tompo aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny sorona. Dia nanamasina an'Isaï sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin'ny sorona. 6 Nony tafiditra izy ireo dia nahita an'i Eliaba Samoela ka nanao hoe: Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo.

7 Fa hoy Iaveh tamin'i Samoela: Aza ny tarehiny no jerenao, na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan'ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa Iaveh kosa mijery ny fo. 8 Dia Abinadaba indray no nantsoin'Isaï, ka nampandaloviny teo anatrehan'i Samoela fa hoy Samoela: Ity koa tsy mba nofidin'ny Tompo. 9 Dia Samà indray no nampandalovin'Isaï, fa hoy Samoela: Tsy mbola ilay voafidin'ny Tompo koa ity. 10 Nampandalovin'Isaï teo anatrehan'i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin'ny zanany ary hoy Samoela tamin'Isaï : Tsy misy nofidin'ny Tompo amin'ireto. 11 Ary hoy Samoela tamin'Isaï: Ireo ihany va no zatovolahy rehetra? Dia hoy Isaï: Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy. Ka hoy Samoela tamin'Isaï: Ampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy. 12 Dia nampanalain'Isaï io. Mavo mena ny volon'izy izay; sady bary maso izy no tsara tarehy. Ary hoy Iaveh: Mitsangàna, hosory io, fa io no izy. 13 Dia noraisin'i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan'ny rahalahiny io; ary hatramin'izany andro izany sy tamin'ny andro manaraka, dia nidina tamin'i Davida ny fanahin'ny Tompo Dia niainga Samoela nankany Ramata. 14 Ary niala tamin'i Saola ny Fanahin'ny Tompo, fa nisy fanahy ratsy avy amin'ny Tompo nalatsany tamin'i Saola.

15 Ka hoy ny mpanompon'i Saola taminy: Indro misy fanahy ratsy avy amin'ny Tompo, milatsaka aminao. 16 Aoka hiteny ny tomponay, dia indreto ny mpanomponao manoloana anao dia hitady olona mahay mitendry harpa; ary rahefa tonga aminao ny fanahy ratsy avy amin'ny Tompo, dia hitendry amin'ny tànany izy; ka hionona hianao. 17 Dia hoy ny navalin'i Saola tamin'ny mpanompony: Itadiavo olona mahay zava-maneno tsara àry aho, ka ento mankaty amiko. 18 Ary niteny ny iray tamin'ny mpanompony nanao hoe: Hitako ny iray amin'ny zanak'Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an'ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban'ny Tompo. 19 Dia nandefa iraka nankany amin'Isaï Saola hilaza aminy hoe: Alefaso hankaty amiko Davida zanakao, izay miandry ondry. 20 Koa naka ampondra anankiray Isaï, mambin'ny mofo sy ny divay iray siny hoditra ary zanak'osy iray, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ireo ho an'i Saola. 21 Nony tonga tany amin'i Saola Davida dia nitsangana teo anatrehany, dia raiki-pitia azy Saola ary nataony mpitondra fiadiany izy. 22 Ary Saola naniraka olona hilaza amin'Isaï hoe: Aoka Davida mba hitoetra eto anatrehako, fa nahita fitia teo imasoko izy! 23 Nony injay tonga amin'i Saola ny fanahy avy amin'Andriamanitra, raisin'i Davida ny harpa, ka tendreny amin'ny tànany dia mionona Saola sy finaritra, ary miala aminy ny fanahy ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883