Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'i Samoela

1 Samoela toko 18, 6-9

       <6Nony niditra izy ireo, tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka avy tamin'ny tanĂ nan'Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan'i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin'ny feon'ny ampongatapaka sy ny valiha. 7Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe:
Arivoarivo no matin'i Saola,
Fa alinalina kosa, ny an'i Davida.
       8Tezitra mafy Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony. 9Hatramin'izay andro izay dia ratsy fijery an'i Davida Saola. >