Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-18

6 Nony niditra izy ireo, tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka avy tamin'ny tanĂ nan'Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan'i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin'ny feon'ny ampongatapaka sy ny valiha.

7 Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: Arivoarivo no matin'i Saola, Fa alinalina kosa, ny an'i Davida. 8 Tezitra mafy Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.

9 Hatramin'izay andro izay dia ratsy fijery an'i Davida Saola.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0444