Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-19

1 Niresaka tamin'i Jonatasy zanany sy ny mpanompony rehetra Saola ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan'i Jonatasy zanak'i Saola an'i Davida. Koa nampandre an'i Davida Jonatasy nanao hoe:

2 Tadiavin'i Saola raiko hovonoina hianao ka mitandrema tena rahampitso maraina, mihataha ka miere. 3 Ary hivoaka aho ka ho eo anilan'i dada amin'ny saha misy anao, ka hiresaka amin'i dada ny aminao, dia ho hitako izay heviny, ka hampandrenesiko anao. 4 Nilaza soa an'i Davida, tamin'i Saola rainy, Jonatasy, fa hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin'i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra, 5 nanao vy very ny ainy, namono an'ilay Filistina izy, ka izy no nanaovan'ny Tompo famonjena lehibe ho an'Israely rehetra. Nahita izany hianao sy nifaly tamin'izany. Ka ahoana no hanotanao amin'ny rà tsy manan-tsiny, amin'ny famonoana, tsy misy antony, an'i Davida? 6 Nihaino ny tenin'i Jonatasy Saola, ka nianiana Saola nanao hoe: Velona Iaveh, tsy hovonoina Davida! 7 Dia nantsoin'i Jonatasy Davida ary nilazan'i Jonatasy izany teny rehetra izany, vao nentin'i Jonatasy nankeo amin'i Saola Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray. 8 Ary nisy ady indray, ka nivoaka hanohitra ny Filistina Davida ka nandrafitra ady taminy; noreseny mafy tokoa izy ireo ka vaky nandositra teo anoloany.

9 Tamin'izay tonga tamin'i Saola ilay fanahy ratsy avy tamin'ny Tompo, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tànany izy; ka notendren'i Davida tamin'ny tànany ny harpa. 10 Notadiavin'i Saola hasiany ny lefona Davida sy ny rindrina, saingy nitsoaka teo anatrehan'i Saola Davida ka ny lefona no nakapony tamin'ny rindrina. Dia nandositra Davida nilefa nandritra ny alina. 11 Nanirahan'i Saola olona, tany an-tranon'i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan'i Mikola vadiny an'izany Davida, nataony hoe: Raha tsy mandositra anio alina hianao, rahampitso ihany dia maty. 12 Dia nampidinin'i Mikola tamin'ny varavaran-kely Davida dia lasa nandositra Davida ka voavonjy. 13 Nalain'i Mikola ny terafima nony avy eo, ka nampidiriny teo am-parafara, ary hoditr'osivavy no nataony teo amin'ny fitoeran'ny lohany, ary norakofany lamba. 14 Ka nony nirahin'i Saola haka an'i Davida ny olona nirahiny, dia hoy ravehivavy: Marary izy. 15 Fa naverin'i Saola indray ny olona nirahiny hizaha an'i Davida, ka hoy izy: Ento mankaty amiko amin'ny farafara izy, hamonoako azy. 16 Dia niverina ny iraka, kanjo inty Terafima no teo am-pandriana mbamin'ny hoditr'osy teo amin'ny fitoeran'ny lohany. 17 Ka hoy Saola tamin'i Mikola: Nahoana hianao no namitaka ahy toy izany, ka namela ny fahavaloko handeha mba ho voavonjy izy? Fa hoy ny navalin'i Mikola an'i Saola: Izao no nataony tamiko: Avelao aho handeha sao hovonoiko hianao. 18 Toy izany no nandosiran'i Davida, ka dia voavonjy izy. Nankany amin'i Samoela tany Ramà izy, ka notantarainy taminy izay rehetra nataon'i Saola taminy. Dia niara-nandeha tamin'i Samoela honona tany Najota izy.

19 Nisy nilaza izany tamin'i Saola nanao hoe: Indro Davida ao Najota, any Ramà. 20 Dia naniraka olona haka an'i Davida Saola; kanjo nony hitan'ireo ny antoko-mpaminany naminany ary Samoela nitsangana teo nitarika azy ireo, dia tonga tamin'ny irak'i Saola ny Fanahin'Andriamanitra ka naminany koa izy ireo. 21 Nambara tamin'i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray Saola nefa naminany ihany koa ireo. 22 Tamin'izany dia ny tenan'i Saola no nankany Ramà. Nony tonga tao amin'ilay lavaka lehibe famorian-drano, any Sokao, izy, dia nanontany hoe: Aiza moa Samoela sy Davida? Ka nisy namaly azy hoe: Indreo izy ao Najota any Ramà. 23 Dia nizotra nankany Najota any Ramà izy, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra dia nandeha ary naminany mandra-pahatongany tany Najota any Ramà. 24 Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan'i Samoela, sy nipetraka tamin'ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton'ny fitenin'ny olona hoe: Mba isan'ny mpaminany koa ve Saola?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0605