Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-20

1 Nandositra niala tany Najota any Ramà Davida, ka nony tonga izy dia niala teo anatrehan'i Jonatasy hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahadisoako teo anatrehan-drainao no dia mitady ny aiko izy:

2 Dia hoy Jonatasy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty hianao. Tsy misy tsy ambaran'i dada ahy izay ataony, na zava-dehibe na zavatra kely; ka ahoana ange no hanafenany an'izany amiko? Tsy misy izany mihitsy! 3 Fa namaly tamim-pianinana Davida nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an'ny Tompo sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin'ny fahafatesana! 4 Dia hoy Jonatasy tamin'i Davida: Na inona na inona ambaran'ny fanahinao, dia hataoko ho anao avokoa.

5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatasy: Izao àry: rahampitso no tsinam-bolana, ka tokony hipetraka eo anilan'ny mpanjaka amin'ny sakafo aho; avelao aho handeha dia hiery any an-tsaha, mandra-paharivan'ny andro fahatelo. 6 Ary raha tsikaritry ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera tamiko Davida mba hikaretsaka kely any Betleema tanànany, fa atao ao ny sorona fanao isan-taona ho an'ny fianakaviany rehetra. 7 Ka raha ataony hoe: Tsara izany, dia mahazo mandry tsy amin'ahiahy ny mpanomponao. Fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa efa ifofoany mihitsy ny ratsy. 8 Ka manaova soa amin'ny mpanomponao, fa fanekem-pihavanana natao tamin'ny anaran'ny Tompo no nanintonanao ny mpanomponao ho ato aminao. Raha misy hadisoana ato amiko dia ny tenanao mihitsy mamono ahy, fa inona indray no itondranao ahy any amin-drainao? 9 Dia hoy Jonatasy taminy: Halaviro anao izany hevitra izany! Fa raha fantatro marina fa efa tapaka ao an-tsain'i dada ny hanao ratsy hahavoa anao dia ianianako ny hilaza izany aminao. 10 Ary hoy Davida tamin'i Jonatasy: Iza anefa no hilaza izany amiko, na izay teny sarotra havalin-drainao? 11 Ka hoy Jonatasy tamin'i Davida: Andeha àry isika hivoaka ho any an-tsaha. Dia nivoaka nankany an-tsaha izy roa lahy. 12 Ary hoy Jonatasy tamin'i Davida: Iaveh Andriamanitr'Israely! Hotsapaiko i dada rahampitso na rahafakampitso, ka raha tsy misy hatahorana ny amin'i Davida, ka tsy maniraka hilaza izany aminao aho,

13 dia aoka ho entin'ny Tompo amin'izany ngidiny indrindra Jonatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak'i dada dia hampandrenesiko izany koa hianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban'ny Tompo anao, toy ny nombany an'i dada. 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia aoka ny hatsaram-pon'ny Tompo no hataonao amiko, 15 ary raha maty aho, aoka tsy hesorinao mandrakizay amin'ny fianakaviako ny hatsaram-ponao, na dia amin'izay handringanan'ny Tompo ny fahavalon'i Davida rehetra ety ambonin'ny tany aza. 16 Toy izany no nanaovan'i Jonatasy fanekem-pihavanana tamin'ny fianakavian'i Davida, ka namalian'ny Tompo ny fahavalon'i Davida. 17 Ary mbola nangataka mafy tamin'i Davida indray koa Jonatasy, noho ny fitiavany azy, fa tia azy toy ny ainy izy. 18 Hoy Jonatasy taminy: Rahampitso izao no tsinam-bolana, ary ho hitan'ny olona fa foana ny fitoeranao. 19 Koa amin'ny andro fahatelo, midìna faingana dia mankanesa ao amin'ilay fitoerana nierenao androtry ny nitrangan'ilay raharaha, ka eo akaikin'ny vaton'i Ezela mitoetra. 20 Ary handefa zana-tsipìka telo mankamin'ny vato aho toy ny mikendry zavatra. 21 Ary indro hirahiko ny zazalahy hataoko hoe: mandehana zahao ny zana-tsipìka. 22 Raha lazaiko amin'ny zazalahy hoe: Ireo aorianao ireo ny zana-tsipìka ka raiso! dia avia hianao, fa tsara tsy misy maninona ny aminao, ka tsy misy atahorana, velona Iaveh! Fa raha hoy aho amin'ilay zazalahy manao hoe: Ireo alohanao ireo ny zana-tsipìka! dia mandehana fa Iaveh no mampandeha anao. 23 Ary ny amin'ny teny nifanaovantsika izaho sy hianao dia indro fa anelanelako izaho sy hianao, mandrakizay, Iaveh. 24 Dia niery tany an-tsaha Davida. Ary nony tonga ny tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana teo amin'ny fanasana ny mpanjaka.

25 Ka araka ny fanao dia nipetraka teo amin'ny sezany ny mpanjaka, dia ilay seza manolotra ny rindrina, Jonatasy nitsangana, ary Abnera nipetraka teo anilan'i Saola, ary ny fipetrahan'i Davida dia foana. 26 Tsy niteny na inona na inona Saola tamin'io andro io, fa nisy zavatra nahazo azy izay, hoy izy, ka tsy madio izy, eny tokoa tsy madio izy. 27 Nony ampitso, andro faharoan'ny volan-tsinana, mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, ka hoy Saola tamin'i Jonatasy zanany: Nahoana ny zanak'Isaïa no tsy tonga tamin'ny fanasana, omaly sy androany? 28 Dia hoy Jonatasy namaly an'i Saola: Niera nanao lemozy tamiko Davida ho any Betleema, 29 fa hoy izy: Avelao kely re aho handeha, fa misy fisoronam-pianakaviana ho anay any an-tanàna, sady nanafatrafatra ahy ery ny rahalahiko, ka raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, avelao aho hankany, sady hizaha ny rahalahiko. Izany no antony tsy nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka. 30 Izay dia nirehitra tamin'i Jonatasy ny fahatezeran'i Saola ka hoy izy taminy: Ry zana-behivavy ratsy sy maditra. Moa tsy fantatro fa misakaiza amin'ny zanak'Isaï hianao? Ho fahafaham-baraka hoanao sy ho fahafaham-baraka ho an'ny kibon-dreninao izany! 31 Satria raha mbola velona ety ambonin'ny tany koa iny zanak'Isaïa iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao na ho an'ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankaty amiko, fa zanaky ny fahafatesana izy. 32 Namaly an'i Saola rainy, Jonatasy, ka nanao taminy hoe: Ahoana no hovonoina izy? Fa naninona izy? 33 Dia nampandihizin'i Saola ny lefony, ndeha hamelezany azy. Fantatr'i Jonatasy fa nofofoin-drainy hovonoina tokoa Davida. 34 Nitsangana Jonatasy niala teo amin'ny latabatra tamim-pahatezerana mafy, ary tsy nety nihinan-kanina tamin'ny andro faharoan'ny volan-tsinana. satria nalahelo izy noho ity Davida dia nalain-drainy baraka. 35 Nony ampitso maraina, dia nankany an-tsaha Jonatasy araka ny nifanekeny tamin'i Davida. Ka nisy zazalahy kely anankiray nanaraka azy. Hoy izy tamin'ilay zazalahy:

36 Mandehana faingana, tadiavo ny zana-tsipìka halefako. Dia nihazakazaka razazalahy ka nalefan'i Jonatasy hihoatra azy ny zana-tsipìka. 37 Nony tonga teo amin'ny toerana nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatasy ny zazalahy, dia nantsoin'i Jonatasy ny zazalahy nataony hoe: Moa tsy ery alohanao va ny zana-tsipìka? 38 Ary nantsoantsoin'i Jonatasy indray ny zazalahy nataony hoe: Mihazakazaha faingana fa aza mijanonjanona. Dia noraisin'io zazalahin'i Jonatasy io ny zana-tsipìka, ary niverina nankeo amin'ny tompony izy. 39 Tsy nahalala na inona na inona ilay zazalahy, fa Jonatasy sy Davida ihany no nahafantatra izany.

40 Dia nomen'i Jonatasy an-drazazalahy izay niaraka taminy ny fiadiany ka hoy izy taminy: Mandehana ento mankany an-tanàna ireto. 41 Vao lasa ilay zazalahy dia nitsangana avy eny atsimo Davida ary nidaboka tamin'ny tany dia niankohoka intelo, vao nifanoroka izy roa lahy, ka samy rafitra nitomany tamin'ny namany avy izy ireo: ary Davida nanao ranomaso havozona mihitsy. 42 Dia hoy Jonatasy tamin'i Davida: Mandehana amim-piadanana, fa efa samy nianiana tamin'ny anaran'ny Tompo izaho sy hianao, nanao hoe: Iaveh no anelanelako, izaho sy hianao, ary ny taranakao sy ny taranako, mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1651