Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-22

1 Niala teo Davida ka nandositra tany amin'ny zohin'i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.

2 Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorina, ny ananan'olon-trosa, ny manan'alahelo, rehetra, ka tonga filohan'ireo izy, ary nisy sahabo ho efa-jato lahy no teo aminy. 3 Avy eo Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan'Andriamanitra ahy.

4 Dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan'i Davida tao amin'ny fitoerana mimanda. 5 Hoy ny mpaminany Gada tamin'i Davida hoe: Aza mitoetra amin'ny fitoerana mimanda hianao, fa mandehana miverina any amin'ny tanin'i Jodà. Dia lasa Davida nankany amin'ny ala Hareta. 6 Ren'i Saola fa hoe hita Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin'izay Saola hipetraka tao Gabaà, tambanin'ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tànany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra.

7 Niteny tamin'ny mpanompony nilahatra teo anoloany Saola nanao hoe: Mihainoa, hianareo Benjamita: MOa ve ny zanak'Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanim-boaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tompon'arivo aman-tompon-jato, 8 no dia niray tetika hamely ahy hianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin'ny zanak'Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin'izany hianareo na nampandre ahy fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao? 9 Dia hoy Doega ilay Edomita lehiben'ny mpanompon'i Saola namaly azy: Hitako tonga tany Nobe, tao amin'i Akemeleka zanak'i Akitoba, ny zanak'i Isaï.

10 Ary Akimeleka nanontany an'ny Tompo ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatra'i Goliata Filistina. 11 Nampiantsoin'ny mpanjaka Akimeleka mpisorona, zanak'i Akitoba, mbamin'ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe.

12 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy Saola: Henoy, ry zanak'i Akitoba. Ary hoy ny navalin'io: Inty aho tompoko! 13 Hoy Saola taminy: Nahoana hianao sy ny zanak'Isaï no niray tatika hamely ahy: Fa nanome mofo sy sabatra azy hianao, ary nanontany an'Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao? 14 Fa namaly ny mpanjaka, Akimeleka ka nanao hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no tahaka an'i Davida, mahatoky indrindra, vinanton'ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao? 15 Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an'Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy hanadidy ny mpanompony, amin'izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan'ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala kely na be amin'izany velively akory ny mpanomponao. 16 Hoy ny mpanjaka: Hovonoina hianao, ry Akimeleka, dia hianao sy ny ankohonan-drainao rehetra! 17 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron'ny Tompo! fa momba an'i Davida ny tànan'ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory. Tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'ny Tompo anefa ny mpanompon'ny mpanjaka. 18 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodìna, hianao ka vonoy ny mpisorona! Dia nihodina Doega ilay Edomita ka izy no namono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efoda rongony no matiny tamin'izay andro izay. 19 Nasian'i Saola tamin'ny lelan-tsabatra koa Nobe, tanànam-pisorona, ka matin'ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry. 20 Anankiray ihany tamin'ny zanak'i Akimeleka zanak'i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin'i Davida izy.

21 Nambaran'i Abiatara tamin'i Davida ny namonoan'i Saola ny mpisoron'ny Tompo. 22 Ka hoy Davida tamin'i Abiatara: Efa fantatro androtr'izay ihany fa Doega Edomita izay tao tamin'izay dia tsy maintsy hilaza amin'i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra. 23 Mijanòna aty amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina hianao eto anilako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523