Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-24

1 Avy teo Davida dia niakatra hipetraka tao amin'ny fitoerana mimanda ao Engadì.

2 Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistina Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: Indro Davida any an'efitr'i Engadì. 3 Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin'Israely rehetra Saola ka nandeha nitady an'i Davida sy ny olony, hatrany amin'ny vatolampin'ny osy dia. 4 Tonga tamin'ny valan'ondry izay tao amoron-dàlana izy ary nisy zohy tao ka nidiran'i Saola hiavela; nefa Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin'ny faravody zohy. 5 Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Ity no andro nolazain'ny Tompo taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tànanao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin'i Saola. 6 Nitepotepo mafy ny fon'i Davida taorian'izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin'i Saola. 7 Ka hoy izy tamin'ny olony: Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko, izay voahosotry ny Tompo, ka hamely azy amin'ny tànako, satria izy no ilay voahosotry ny Tompo. 8 Izany no nisakanan'i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin'i Saola. Dia nitsangana Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany. 9 Izay Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an'i Saola nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Niherika nijery Saola, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka. 10 Ary hoy Davida tamin'i Saola hoe: Nahoana hianao no dia maka ny vavan'olona hoe: Indro fa mitady hanisy ratsy anao Davida? 11 Kanefa indro nahita maso hianao androany izay nanoloran'ny Tompo anao teo an-tànako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: tsy haninjitra ny tànako amin'ny tompoko aho, fa voahosotry ny Tompo izy. 12 Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tànako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Hianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko! 13 Ka aoka Iaveh no hitsara anao noho ny amiko, fa ny tànako tsy hamely anao. 14 Ny ratsy fanahy no ihavian'ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tànako. 15 Hanenjika an'iza moa no dia niaingan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve? 16 Aoka Iaveh hitsara ahy sy anao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy izy, ka hanafaka ahy amin'ny tànanao ny didim-pitsarany. 17 Nony vitan'i Davida ny filazany izany teny izany tamin'i Saola, dia hoy Saola: Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô! Sady nanandra-peo Saola ary nitomany.

18 Hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho hianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao. 19 Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tànanao Iaveh, nefa hianao kosa tsy nahafaty ahy. 20 Raha misy olona mifanena amin'ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian'ny Tompo soa anie hianao, noho izay nataonao tamiko androany izay. 21 Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka hianao, ary ho tafatoetra eo an-tànanao ny fanjakan'Israely. 22 Koa mianiàna amiko, amin'ny Tompo, fa tsy handringana ny fara aman-dimbiko any aoriako hianao, ary tsy hamono ny anarako eo amin'ny taranaky ny raiko. 23 Dia nianiana izany tamin'i Saola Davida. Ary Saola lasa nody any an-tranony, ary Davida sy ny olony niakatra nankany amin'ny toerana mimanda.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1183