Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-25

1 Ary maty Samoela ka nivory Isarely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin'ny fonenany, any Ramà. Tamin'izany dia nitsangana Davida ary nidina nankany an'efitr'i Faràna.

2 Tany Maona nisy lehilahy anankiray, ary tany Karmela ny fananany. Mpanan-karem-be izy: telo arivo ny ondriny ary arivo ny osiny, ary tao Karmela izy tamin'izay noho ny fanetezana ny ondriny.

3 Nabala no anaran-dralehilahy io, ary Abigaila noanaran'ny vadiny; ravehivavy dia hendry tokoa sy tsara tarehy, fa ralehilahy kosa sady henjana no ratsy fiaina; taranak'i Kaleba izy io. 4 Ren'i Davida tany an'efitra fa nanety ny ondriny Nabala.

5 Naniraka zatovo folo lahy Davida ary hoy Davida tamin'ny zatovo nanao hoe: Miakara any Karmela hianareo, dia mankanesa ao amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako. 6 Ary izao no lazao aminy: Ho evla velona anie hianao! Ho aminao anie ny fiadanana, ho amin'ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho amin'ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana. 7 Ary ankehitriny reko fa mby ao aminao ny mpanety. Ary ny mpiandry ondrinao dia nitoetra tany aminay, ka tsy nisy nampalahelovanay azy, tsy nisy nalaina taminy nandritra ny andro rehetra nitoerany tany Karmela. 8 Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin'izay mety ho hitan'ny tànanao, ireto mpanomponao sy Davida zanakao. 9 Nony tonga ny zatovon'i Davida naveriny tamin'i Nabala izany teny rehetra izany, tamin'ny anaran'i Davida, dia niala sasatra izy.

10 Ary izao no navalin'i Nabala an'ireto mpanompon'i Davida nataony hoe: Iza moa Davida ary zovy ny zanak'Isaï? Maro ny mpanompo milefa miala amin'ny tompony ankehitriny. 11 Ary ny mofoko mbamin'ny ranoko amam-biby fiompiko novonoiko ho an'ny mpanety ondriko ve, ka halaiko homena izay olona tsy fantatro nihaviany? 12 Dia niverina ilàlana ny mpanompon'i Davida, ka nody, ary nony tonga izy, dia naveriny taminy izany teny rehetra izany. 13 Ka hoy Davida tamin'ny olony: Samia hianareo manisy ny sabany amin'ny hetrany avy. Dia samy nanisy ny sabany tamin'ny hetrany avy izy ireo, ary Davida kos nanisy ny sabany tamin'ny hetrany, ary sahabo ho efa-jato lahy no niaraka nanaraka an'i Davida, fa roan-jato lahy kosa nipetraka niandry ny entana. 14 Nisy mpanompo anankiray nitondra ny vaovao tamin'i Abigaila nanao hoe: Indro fa naniraka olona avy any an'efitra Davida hiarahaba ny tompolahintsika, kanjo niantraika tamin'ireny izy.

15 Tsara anefa ny nataon'ireny olona ireny taminay, tsy nisy nampalahelovany anay, tsy nisy nalaina taminay nandritra ny andro rehetra niarahany dia taminy, dieny mbola tany an-tsaha izahay. 16 Izy ireo no mandanay andro aman'alina, nandritra ny andro rehetra niarahanay taminy, teo am-piandrasana ondry. 17 Koa ankehitriny, fantaro sy zahao izay tokony hataonao, fa efa voafofo hasiana ratsy ny tompontsika sy ny ankohonany rehetra; raha izy tokoa dia zana-Beliala ka tsy azo iresahana. 18 Niaraka tamin'izay Abigaila dia naka mofo roan-jato, divay roa siny hoditra, ondrilahy vaovoatra dimy, lango dimy vata, vaingam-boaloboka maina zato, ary vaingan'aviavy maina roan-jato, nasampiny tamin'ny ampondra ireo,

19 dia hoy izy tamin'ireto zatovony: Mandehana eo alohako hianareo, fa aoriananareo aho manaraka. Tsy nilaza na inona na inona tamin'i Nabala vadiny anefa izy. 20 Nony nidina nitaingina ampondra tamin'ity toerana anankiray voasaron-kazo tao amin'ny tendrombohitra izy dia indro Davida sy ny olony nidina teo an-tandrifiny koa, ka nifanena tamin'izy ireo izy. 21 Davida nilaza hoe: Sasa-poana aho niaro ny ananan'iny lehilahy iny any an'efitra, ka tsy nisy nalaina izay rehetra ananany, nefa valiany ratsy ity ny soa nataoko. 22 Hoentin'ny Tompo amin'izay ngidiny indrindra anie ny fahavalon'i Davida. Tsy hasiako miangana, rehefa mety ho an'i Nabala, mandra-pahamaraina ny andro, na dia lehilahy iray aza. 23 Vao nahita an'i Davida Abigaila dia nidina faingana tamin'ny ampondra, niankohoka teo anatrehan'i Davida, ary nihohoka tamin'ny tany mihitsy,

24 vao niantoraka teo an-tongony, nanao hoe: Aoka ho ahy, tompoko, aoka ho ahy ny tsiny! Avelao mba hiteny eo amin'ny sofinao ity ankizivavinao; ary henoy ny tenin'ny ankizivavinao. 25 Aoka ny tompoko tsy hihevitra akory an'iny olon'i Beliala iny, an'i Nabala, fa araka izay ambaran'ny anarany ihany ny toeny: ilay adala no anarany, ary misy hadalana ao aminy. Ary ny amiko ankizivavinao, tompoko, dia tsy mba nahita ny olon'ny tompoko izay nirahinao aho. 26 Koa ankehitriny, tompoko, toy ny mahavelona an'ny Tompo, toy ny mahavelona ny fanahinao, dia narovan'ny Tompo tsy handatsa-drà hianao, na hamaly faty amin'ny tànanao. Ary ankehitriny aoka ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko no hanahaka an'i Nabala. 27 Izao fanatitra entin'ny mpanomponao amin'ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin'ny zatovo manaraka ny tompoko. 28 Avelao ny heloky ny ankizivavinao fa trano mafy orina no hataon'ny Tompo tokoa ho an'ny tompoko, satria manohana ny adin'ny Tompo ny tompoko, ary tsy hisy ratsy ho hita ao aminao mandritra ny andro rehetra hiainanao. 29 Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao; ny ain'ny tompoko ho voafehy ao amin'ny fehezan'ny velona ao amin'ny Tompo Andriamanitrao fa ny ain'ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin'ny foitran'antsamotady. 30 Rahefa tanterak'Iaveh amin'ny tompoko ny soa rehetra nambarany momba ny tananao ka ho voatsangany ho filohany amin'Israely hianao, 31 dia tsy hotsindronin'ny nenina hianao, na hampijalin'ny fony ny tompoko, avy amin'ny fandatsahan-drà tsy misy antony sy famaliam-paty ho an'ny tena. Ary rahefa asian'ny Tompo soa ny tompoko mba tsarovy ny ankizivavinao. 32 Dia hoy Davida tamin'i Abigaila: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitr'Israely izay naniraka anao hitsena ahy androany! Hankalazaina anie ny fahendrenao lehibe!

33 Ary hankalazaina anie hianao, izay niaro ahy tsy handatsa-drà foana sy tsy hamaly faty amin'ny tànako amin'ity andro ity. 34 Fa raha tsy izany, toy ny mahavelona an'ny Tompo Andriamanitr'Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy tonga faingana hitsena ahy hianao, dia nataoko tsy misy miangana ny an'i Nabala na lehilahy iray aza, mandra-pahazavan'ny andro. 35 Ary noraisin'i Davida teny an-tànan'i Abigaila ny zavatra nateriny ho azy, ka hoy izy taminy: Miakara amim-piadanana ho an-tranonao, jereo fa nihaino ny feonao ary nampahazo toky ny tavanao aho. 36 Dia nody tany amin'i Nabala Abigaila ka inty izy nanao fanasana tao an-tranony, toy ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala, ary mamo loatra izy. Tsy nilaza kely na be taminy ny vavy mandra-pahazavan'ny andro.

37 Nony maraina anefa, efa nahatsiaro tamin'ny hamamoany Nabala, dia notantarain'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka nihotakotaka nila hahafaty azy ny fony dia nanjary toy ny vato izy. 38 Ary sahabo ho hafoloan taorian'izany, dia nasian'ny Tompo Nabala ka maty. 39 Nony ren'i Davida fa maty Nabala dia hoy izy: Isaorana anie Iaveh izay nahafa-tondromaso ahy, tamin'ny naniratsiran'i Nabala ahy, sady niaro ny mpanompony tsy hahavita ratsy. Fa ny lohan'i Nabala ihany no nataon'ny Tompo nifoteran'ny ratsy nataony. Taty aoriana, naniraka olona Davida hilaza amin'i Abigaila ny hakany azy ho vady.

40 Nony tonga tany Karmela amin'i Abigaila ny mpanompon'i Davida, dia niteny taminy hoe: Nirahin'i Davida ho aty aminao izahay, ny amin'ny hakany anao ho vadiny. 41 Nitsangana ravehivavy, dia niankohoka tamin'ny tany, vao niteny hoe: Indro fa ny ankizivavinao dia toy ny mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko. 42 Nitsangana niaraka tamin'izay Abigaila nitaingina ampondra ary ny dimy tamin'ny zazavaviny nomba azy; nanaraka ny irak'i Davida izy ka dia tonga vadiny. 43 Nanambady an'i Akinoama avy any Jezraela koa Davida, ka vadiny avokoa izy roa vavy.

44 Fa Saola efa nanome an'i Mikola zanany vavy, vanin'i Davida, ho vadin'i Faltì avy any Galima, zanak'i Laisa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.106