Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-26

1 Tonga tao amin'i Saola tany Gabaà, ny Zifeana, ka nilaza hoe: Miery any amin'ny havoan'i Hakilà ao atsinanan'ny tany lava volo Davida.

2 Dia nitsangana Saola, ka nidina nankany an'efitr'i Zifa, mbamin'ny telo arivo lahy, voafantina tamin'Israely, hitady an'i Davida, any an'efitr'i Zifa. 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakilà Saola ao atsinanan'ny tany lava volo, eo amoron-dàlana, ary Davida nitoetra tany an'efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an'efitra Saola, 4 dia naniraka mpitsikilo Davida ka nahalala fa tonga tokoa Saola. 5 Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny toerana nitobian'i Saola. Hitan'i Davida ny toerana nandrian'i Saola sy Abnera zanak'i Nera lehiben'ny miaramilany; tao afovoan'ny toby Saola no nandry ary nitoby manodidina azy ny vahoaka. 6 Koa niteny tamin'i Akimeleka Heteana sy tamin'i Abisaï zanak'i Sarvia sy rahalahin'i Joaba, Davida ka nanao hoe: Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby any amin'i Saola? Dia hoy Abisaï namaly azy: Izaho no hiara-midina aminao. 7 Alina no nahatongavan'i Davida sy Abisaï tany amin'ny vahoaka; ary inty Saola nandry tao afovoan'ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny ondany; Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.

8 Dia hoy Abisaï tamin'i Davida: Voahidin'ny Tompo eo an-tànanao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin'ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin'ny tany amin'ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany. 9 Fa hoy Davida tamin'i Abisaï: Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tànana amin'ny voahosotry ny Tompo, ka afa-maina tsy ho voasazy? 10 Ary hoy Davida: Marina fa velona Iaveh, koa dia Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitr'andro izy ka maty, na hirotsaka amin'ny ady izy ka maty; 11 fa aoka harovan'ny Tompo tsy haninji-tànana amin'ny voahosotry ny Tompo aho! Koa ankehitriny ny lefona eo anilan'ny ondany sy ny sny fitoeran-drano no alao, dia ndao isika handeha. 12 Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan'ny ondan'i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan'ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo. 13 Niampita teny an-dafy Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon'ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.

14 Ary Davida niantso ny vahoaka sy Abnera zanak'i Nera nanao hoe: Tsy hamaly va hianao, ry Abnera? Dia hoy Abnera namaly: Zovy moa hianao, miantso aty amin'ny mpanjaka? 15 Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy va hianao? Ary iza no toa anao amin'Israely? Koa nahoana hianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin'ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao. 16 Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona Iaveh, koa dia ny maty no tandrifin'anao, satria hianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotry ny Tompo. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon'ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan'ny ondany? 17 Fantatr'i Saola ny feon'i Davida, ka hoy izy: Feonao va izany, ry Davida, zanako ô! Dia hoy Davida namaly: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko!

18 Sady nampiany hoe: Nahoana ny tompoko no manenjika ity mpanompony? Fa nanao inona aho? Inona no ratsy nataon'ny tànako? 19 Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin'ny mpanompony: Raha Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahany ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan'ny Tompo izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara toerako amin'ny lovan'ny Tompo, nanao hoe: mandehana manompo andriamani-kafa. 20 Koa ankehitriny, aoka ny rako tsy ho latsaka aminny tany lavitra ny tavan'ny Tompo! Fa ny mpanjakan'Israely ity no niainga hitady izay parasy anankiray, mova tsy ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra! 21 Dia hoy Saola: Nanota aho, miverena re, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe.

22 Namaly Davida hoe: Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin'ny zatovonao no aoka haka azy ety. 23 Samy hovalian'ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy; fa efa natolotry ny Tompo teo an-tànako hianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tànako tamin'ny voahosotry ny Tompo aho. 24 Ary indro fa toy ny nahasarobidy ny ainao teo imasoko androany, no mba hahasarobidy ny aiko eo imason'ny Tompo koa, ka hanafahany ahy amin'ny tebiteby rehetra. 25 Dia hoy Saola tamin'i Davida: Hambinina anie hianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao. Dia nanohy ny diany Davida; ary Saola nody any aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1671