Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-27

1 Ary hoy Davida anakampony: Mbola ho fatin'ny tànan'i Saola ihany aho, indray andro any, ka ny mandositra faingana any amin'ny tanin'ny Filistina no mety amiko indrindra, mba hitsaharan'i Saola tsy hitady ahy intsony amin'ny faritanin'Israely rehetra, dia ho afaka amin'ny tànany aho.

2 Koa niainga Davida sy izy enin-jato lahy nomba azy, nankany amin'i Akisa, zanak'i Maoka mpanjakan'i Geta. 3 Dia nitoetra teo amin'i Akisa, tany Geta Davida sy ny olony, samy nomban'ny fianakaviany avy, ary nomba an'i Davida izy roa vavy, dia Akinoama avy any Jezraela, sy Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin'i Nabala. 4 Nilazana Saola fa nandositra tany Geta Davida ka dia tsy nandeha hanjohy azy intsony izy. 5 Hoy Davida tamin'i Akisa: Raha mba nahita fitia eo imasonao ihany aho, dia aoka homena ahy ny fitoerana anankiray honenako ao amin'ny anankiray amin'ny tanàna any an-tsaha, satria aiza ka dia hiara-monina aminao, eto amin'ny renivohi-panjakanao ny mpanomponao?

6 Dia nomen'i Akisa azy androtr'izay ihany Sikelega; noho izany dia an'ny mpanjakan'i Jodà Sikelega mandrak'androany. 7 Herintaona sy efa-bolana no andro nipetrahan'i Davida tany amin'ny tanin'ny Filistina. 8 Niakatra Davida sy ny olony ary nanafika ny Gesoriana sy ny gerziana ary ny Amalesita, fa olona nonina any an-kilan'i Sora ka hatrany amin'ny tany Ejipta izy ireo izany ela izany.

9 Noravan'i Davida mihitsy ny tany fa ny olona tsy nasiany miangana na lahy na vavy, ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, mbamin'ny fitafiana, nobaboiny avokoa; vao niverina tany amin'i Akisa izy. 10 Ary hoy Akisa: Taiza no nanafika hianareo androany? Dia namalay Davida: Tany amin'ny Negeban'i Jodà, tany amin'ny Negeban'i Jerameelita ary tany amin'ny Negeban'ny Kineana. 11 Fa ny olona no tsy nasian'i Davida miangana, ho enti-mankany Geta, na lahy na vavy, dia hoy izy anakampo: fandrao manao filazana mamely antsika ireo, manao hoe: Izao sy izao no nataon'i Davida. Ary toy izany mandrakariva no nataony, tamin'ny andro rehetra nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistina; 12 ka natoky an'i Davida Akisa, fa hoy izy: Nanao izay hampangidy hoditra azy amin'Israely vahoakany izy, ka ho mpanompoko mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868