Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-28

1 Tamin'izany andro izany nangonin'ny Filistina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin'Israely. Ka hoy Akisa tamin'i Davida: Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby hianao sy ny olonao.

2 Ary hoy ny navalin'i Davida tamin'i Akisa: Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao. Ka hoy Akisa tamin'i Davida: Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay. 3 Efa maty Samoela ka nitomanian'Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin'ny tanànany. Ary efa noroahin'i Saola hiala amin'ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.

4 Nony tafangona ny Filistina dia tonga nitoby tao Sonama; ary Israely rehetra novorin'i Saola ka nitoby tao Jelboe.

5 raiki-tahotra sy nivadi-po mafy Saola, nony nahita ity tobin'ny Filistina. 6 Nanontany an'ny Tompo Saola, nefa tsy namaly azy Iaveh, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany. 7 Dia hoy Saola tamin'ny mpanompony: Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hantontany azy aho. Ka hoy ny mpanompony taminy: Any Endora misy vehivavy mpamoha angatra. 8 Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa Saola, ka niainga narahin'ny olona roa lahy. Alina no tonga tany amin'ilay vehivavy izy ireo ka hoy Saola taminy: Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin'ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankaty amiko izay hotononiko aminao. 9 Fa namaly azy ravehivavy: Indro fa fantatro ihany ny nataon'i Saola, dia ny nandroahany hiala amin'ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana hianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko? 10 Nianiana taminy, tamin'ny Tompo, Saola, nanao hoe: Marina fa velona Iaveh. Koa tsy hampidi-doza aminao akory izao zavatra izao. 11 Dia hoy ravehivavy: Iza àry no hasaiko miakatra mankaty aminao? Ka hoy ny navaliny: Samoela no asaovy miakatra mankaty amiko. 12 Vao nahita an'i Samoela ravehivavy dia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin'i Saola hoe: Ahoana no namitahanao ahy? Hianao no Saola.

13 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Dia hoy ravehivavy tamin'i Saola: andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako. 14 Ka hoy izy taminy: Manao ahoana ny endriny? Ary hoy ny navaliny: Anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin'ny kapaoty izy. Fantatr'i Saola fa Samoela izay, ka tafaondrika tamin'ny tany tery izy, dia niankohoka. 15 Ary hoy Samoela tamin'i Saola: Ahoana no manabataba ahy hianao amin'ny fampiakarana ahy? Dia namaly Saola nanao hoe: Poritra loatra aho: ny Filistina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy izy, na tamin'ny mpaminany, na tamin'ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy hataoko.

16 Ary hoy Samoela: Ahoana no anontanianao ahy, nefa Iaveh efa nihataka taminao, sy efa tonga fahavalonao? 17 Nataon'ny Tompo izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin'ny alàlako; efa notsoahan'ny Tompo teo am-pelatànanao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia Davida. 18 Satria tsy nihaino ny feon'ny Tompo hianao, fa tsy nanao tamin'i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan'ny Tompo toy izao taminao androany. 19 Mainka hatolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina aza Israely sy hianao. Rahampitso hianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin'Israely hatolotry ny Tompo eo an-tànan'ny Filistina. 20 Dia lavo nitsingidina tamin'ny tany, niaraka tamin'izany, Saola; fa ny tenin'i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, stria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra. 21 Nankeo amin'i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izaitsizy, ka dia nanao taminy hoe: Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin'ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.

22 Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely hianao; mihinàna amin'izany hahazoanao tanjaka ho eny amin'ny dia hotohizanao. 23 Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Nanesy azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan'izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin'ny tany, dia nipetraka tamin'ny saofà izy. 24 Nanan-janak'omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay. 25 Ary narosony teo anoloan'i Saola sy teo anoloan'ny mpanompony ireo, ka dia niihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102