Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-29

1 Ary namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistina, fa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezraela kosa Israely.

2 Raha nandroso nitarika ny an-jatony sy ny an'arivony ireo andrianan'ny Filistina, ary Davida sy ny olony kosa namindra tery amin'ny vody làlana, niaraka tamin'i Akisa, dia hoy ireo filohan'ny Filistina: 3 Ahoana ireto Hebrio? Ary hoy Akisa namaly an'ireo filohan'ny Filistina: Tsy io va no Davida mpanompon'i Saola mpanjakan'Israely, ka efa andro maro sy taona maro izay izy no taty amiko, nefa tsy mbola nahita izay tsininy aho na dia kely aza, hatrizay nifindrany ho aty amintsika izay ka mandrak'androany. 4 Tezitra tamin'i Akisa anefa ireo filohan'ny Filistina ka hoy ny filohan'ny Filistina taminy hoe: Alefaso iny lehilahy iny, aoka izy hiverina any amin'ny tany namponenanao azy any, fa aoka tsy hiara-midina amintsika ho any amin'ny ady, fandrao dia tonga fahavalontsika izy rahefa miady. Satria inona indray ary no hahazoany sitraka amin'ny tompoony fa tsy amin'ny fanolorany aminy ny lohan'ireto lehilahy ireto. 5 Ary moa tsy io Davida io indrindra va no nihirana tamim-pandihizana hoe: Matin'i Saola ny arivoarivo; ary matin'i Davida ny alinalina. 6 Dia nantsoin'i Akisa Davida, ka nilazany hoe: Marina fa velona Iaveh ka dia olo-marina hianao, sady sitrako eo imasoko izay rehetra ataonao amiko eto an-toby, satria tsy mbola nahita ratsy taminao aho hatrizay nahatongavanao taty amiko, ka mandrak'androany. Nefa kosa tsy sitrak'ireo andriana ireo hianao.

7 Koa miverena ary mandehana amim-piadanana mba tsy hanao izay mety hahasosotra ny andrianan'ny Filistina. 8 Dia hoy Davida tamin'i Akisa: Fa inona no nataoko; ary inona no hitanao tamin'ny mpanomponao, hatrizay nitoerako teto aminao ka mandrak'androany, no dia tsy hahazo mandeha hiady amin'ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko aho? 9 Ary hoy Akisa namaly an'i Davida: Fantatro fa tsara tamiko hianao hoatra ny anjelin'Andriamanitra, fa ny filohan'ny Filistina nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika amin'ny ady izy. 10 Koa mifohaza maraina koa hianao, mbamin'ireo mpanompon'ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina hianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana. 11 Nifoha maraina hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina, ary ny Filistina kosa niakatra nankany Jezraela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.124